Ry Namako, mitondra fanantenana ianao !
“Izy no ananantsika fanavotana amin’ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren’ny fahasoavany.” (Efesiana 1.7)
Nilatsaka ny ran’ny tsy manan-tsiny. Nolefonina ny lanivoany, nofantsihana ny tanany ho anao. Nahantona tamin’ny hazo ny Zanak’Andriamanitra ho anao. Nijanona ny fony ho anao. Natolony ny Ray ny fanahiny ary naondriny ny lohany ho anao.
Efa mihoatra ny 2000 taona no nitrangan’izany zavatra mahatsiravina izany teo amin’ny hazo fijaliana. Mihoatra ny 2000 taona no nanambaràna izany fitiavana izany. Mbola tsy miova anefa ny herim-piainana entin’izany hazo fijaliana izany androany.
Fahamarinana tsy mampino sady mampitsimbadika ny zavatra rehetra no entin’ny vaovao mahafaly…
- Iza no hanameloka anao ? Iza no hampahatsiaro anao ny fahotanao ? Nohamarinina ianao, navotana, voavela heloka ary afaka misitraka ny fahafenoan’ ny fanatrehan’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy.
- Niova ny fiainanao ary hisehoan’ilay Andriamanitra afaka manantanteraka ny zavatra rehetra. Manao anao ho masoivohon’ny fanjakany Izy, fanjakana tsy manam-pahataperana sady misy fifaliana miboiboika.
Na dia ao anatin’ny aizina aza izao tontolo izao, ianao no fahazavany. Nifidy masoivoho Andriamanitra… ianao izany ry Namako. Anio, mitondrà fiainana, mitondrà fanantenana.