🕵🏻 Ny iraka ho an’ny fiainanao

Efa nisy fotoana ve ianao nilaza hoe: "Tena mba tiako raha miverina aingana i Jesosy, mba tsy hiatrika an’ity adin-tsaina rehetra eto an-tany ity intsony aho" ?
Izaho aloha efa, haha ! Ary tamin’izay fotoana izay aho dia namaky tao amin’ny epistily ho an’ny Filipiana izay nolazain’i Paoly, raha vao nivoaka tao am-ponja izy : "Fa Kristy no anton'ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony." (Filipiana 1.21)
Mazava be izany fa leo an’izao tontolo izao koa izy ! Nefa, mbola nanampy ity andian-teny manaraka ity izy, izay manova ny zavatra rehetra :
“Kanefa raha ny ho velona amin'ny nofo no hahavokaran'ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko; fa sanganehana eo anelanelan'izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin'i Kristy, satria tsara lavitra izany; kanefa kosa ny hitoetra eo amin'ny nofo no mahasoa anareo kokoa. Ary satria matoky izany aho, dia fantatro fa hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra aho hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin'ny finoanareo,” (Filipiana 1.22-25)
Tena tiako ny fandikan-teny iray izay rehefa milaza izy hoe : "Ho eo aminareo rehetra aho mba hanampy anareo hiroso amin’ny finoana sy hino amim-pifaliana."
Izany dia maneho mazava dia mazava fa i Kristy no hany antony iainantsika, ary ny miresaka momba Azy no iraka nankinina tamintsika.
Velona isika mba hampita ny fahamarinana momba an’Andriamanitra izay tia ny namantsika koa, izay te hanampy azy koa, hamela heloka azy ary hamonjy azy. Tsy ho an’ireo eo ambony sehatra ihany izany iraka izany... satria iza moa no hampita izany fanantenana izany amin’ireo izay tsy mba mandeha any am-piangonana na any amin’ireny karazana kaonseritra ireny ?
Ny baiko hoe : "Mandehana any amin’ny firenena rehetra.." (Matio 28.19) dia ho an’ny tsirairay. Anisan’izany koa ianao. Azo soratana toy izao mihitsy aza izany : "Mandehana any amin’ny firenena rehetra... Ary maninona raha atomboka amin’ireo manodidina anao izany."
Mety hoe adinontsika ve ny iraka mampanaovina antsika satria be loatra ny ahiahy isan’andro ? Tsara ny miara-mandinika an’izany anio, hoe sao dia voasarika isika ka tsy manao intsony izay anton’ny tena iainantsika : ny mampita fanantenana, ary ny mino amim-pifaliana !
Fa eny tokoa : i Kristy no hany antony iainantsika, ary ny miresaka momba Azy no iraka nankinina tamintsika.

