Ny famelan-keloka nanamarika indrindra
"Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony!" ( Lioka 23:34 ).
Tenin'i Jesosy izay nanamarika ny tantara izany! Fehezan-teny iray izay fanalahidin'ny fahafahana amin’ny fiainana - ho an’ny fiainanao koa!
Raha tsy nety namela heloka aho ary, volana maromaro taty aoriana, dia mbola nitomany, nitsirara tamin’ny tany, tototry ny fahaketrahana lalina ka saika tsy afa-nihetsika, dia nokasihan’Andriamanitra moramora teo amin’ny soroka aho, indray mandeha, indroa… ary naveriny ihany, mba hilazany tamiko hoe: “mamelà azy!”
"Tsy azo atao izany! Fa maninona no tsy azonao aho ry Jesosy? IZAHO no maratra, ary ny hafa afaka miaina amim-pifaliana fotsiny? Tsy mety izany!"
Tamin’izay fotoana izay indrindra, dia nandre an’i Jesosy niteny mafy tamiko aho hoe: “Heverinao ve fa mety ve ny nivelesany ahy?” (Jereo ny Lioka 22:63 ) “Heverinao ve fa mety ve ny namantsihana ahy izay tsy manan-tsiny teo amin’ilay hazo fijaliana nisy jiolahy roa?” (Jereo ny Lioka 23:33 ).
Dia nanontany Azy aho hoe: “Fa Jesosy a, nahoana Ianao no niteny hoe: Raiko ô, mamelà ny helony?” Dia namaly Izy hoe: “Satria tsy fantany izay ataony”.
Tamin’izay fotoana izay dia nisy ranomaso lehibe sy mafana nikoriana teo amin’ny takolako. Tsapako fa niresaka momba ahy Izy. Impiry aho no nandiso fanantenana sy nandratra olona, satria fotsiny hoe tsy azoko ny halehiben’ny teniko sy ny fihetsiko! Tsy fantatro izay nataoko...
Toy izany koa, ilay olona nandratra ahy lalina dia tsy nahatakatra ny halehiben’ny fahavoazana naterany teo amin’ny fiainako. Ary izany no antony… izany no nahatonga an’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana, mba hamelantsika heloka na ahoana na ahoana: “Na dia tsy takansika aza…
Amim-pahatsorana, eto ampanoratana ireto teny ireto aho dia feno ranomaso indray ny masoko. Tsy tian’i Jesosy hikatso eo amin’ny fiainana mihitsy isika noho ny tsy fahafahantsika mamela heloka. Izany no nahatonga Azy teo amin’ny hazo fijaliana, eny, ho anao fotsiny!
Mamela heloka mba ho afaka! Afaka tanteraka mba hiaina !