Mieritreritra ve ianao fa diso fanantenana Andriamanitra amin’ny “vavaka fohy” ataonao ?
Tamin’ny faran’ny taona, narary mafy aho. Raha dinihina, dia “herinandro vitsivitsy” monja - telo herinandro - izany, tsy azo ampitahaina amin’ireo miady amin’ny homamiadana mandritra ny taona maro. Nefa fantatsika rehetra fa na gripa tsotra aza dia mampandamaka antsika eo am-pandriana, ka mahatonga antsika hieritreritra hoe : “Tsy ho tapitra mihitsy izy ity !”
Tena reraka tanteraka aho, narary be, ka saiky tsy afaka niala ny fandriana ho any amin’ny seza akory. Ary raha lazaiko am-pahatsorana tanteraka - na dia izaho aza no mpanoratra ny “Fahagagana isan’andro” - dia tsy nanana herim-po hanokatra Baiboly mihitsy aho. Eny e, nosokafako ihany izany, fa izay novakiako dia tsy azoko… reraka loatra aho.
Vavaka fohy kely no nataoko tamin’Andriamanitra, satria ny hany tanjoko dia ny hipetraka eo ambonin’ny seza hijery sarimihetsika. Ary eny, nahatsiaro ho meloka aho noho izany. Matetika dia toy izao fotsiny no vavaka nataoko :“Ry Andriamanitro, fantatrao ny fahalemeko. Miala tsiny aho, fa izao ihany no zakako aloha hatreto.”
Ary fantatrao ve? Fantatr’Andriamanitra tsara ny toe-pahasalamako… Voasoratra ao amin’ny Salamo hoe :
“Fa Izy mahalala ny toetsika Ka mahatsiaro fa vovoka isika. Tahaka ny ahitra ny andron'ny zanak'olombelona; Tahaka ny vonin-javatra any an-tsaha ny famoniny, Satria tsofin'ny rivotra izy ka lasa, Ary tsy mahalala azy intsony ny fitoerany. Fa ny famindram-pon'i Jehovah dia hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin'izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin'ny taranaka.” (Salamo 103:14-17)
Aza avela handresy lahatra anao ny lainga hoe : kely kokoa no itiavan’Andriamanitra anao satria kely kokoa ny fotoana laninao miaraka Aminy !
Fantany ny fahalemenao, ary faly Izy amin’ny vavaka fohy nefa avy amin’ny fo, izay milaza fotsiny hoe : “Tiako Ianao, Tompo !”
Ny tena marina, rehefa nandalo ilay fotoana, dia ho hitanao fa Andriamanitra dia nijanona teo anilanao hatrany, tamim-pitiavana.