Koa 'ndao amin'izay ary.....
Ety am-panombohana, mamelà ahy hametraka fanontaniana iray aminao: “Oviana ianao no nanao soa farany?”
Na koa hoe: “Naratra mafy ve ianao ka tsy te hanao soa intsony?” Mety hoy ianao hoe: “Atao inona izany? Amin’ny farany dia izaho foana no maratra.”
Eny, indrisy, izany tokoa matetika no mitranga. Izao anefa no voasoratra ao amin’ny Salamo 37: “Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao noho ny amin'ny mpanao ratsy; Ary aza mialona ny mpanao meloka… Matokia an'i Jehovah ianao, ka manaova soa..” (Salamo 37:1-3).
Mazava tsara ilay teny hoe: “Aoka tsy hirehitra ny fahatezeranao”. Izany hoe: aza avela hanafotra anao ny fahasorenana, na dia mitady hikitika ny fiadanan’ny fonao aza izany!
Ilay olona tena nahazaka an’ izany toe-javatra izany tamin'ny tanjaka MAHAGAGA dia i Josefa. Namadika azy ireo rahalahiny, natsipy tao an-davaka izy, ary namidy ho andevo tany Ejipta. Nanana ny RARINY REHETRA ho tezitra, diso fanantenana, maratra ary kivy izy.
Fa rehefa tonga tany aminy ireo rahalahiny, taona maro tatỳ aoriana, noho ny mosary, dia hoy izy taminy: “Aza matahotra… Hianareo no nisaina hanisy ratsy ahy; fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa.” (jereo Genesisy 50:19-20) Nitso-drano azy ireo mihitsy aza izy, na dia teo aza izany zavatra rehetra nisy izany!
Isika, eo amin’ny toerany, dia halaim-panahy haingana hilaza hoe: “Tsy hahazo na inona na inona intsony izy! Taorian’izay rehetra nataony tamiko...” Kanefa Andriamanitra, amin’ny Fitiavany, dia maniry ny hampirisika antsika tsy ho tezitra amin’ny ratsy fanahy, fa hatoky Azy sy hanao TSARA! (araka ny Salamo 37:1-3).
Manasa antsika izy io mba hampihatra ny andininy faha-27 manao hoe: “Halaviro ny ratsy, manaova soa”. ( Salamo 37:27).
Koa andeha isika hampangina ny hambom-pontsika ary hanome toerana ho an'ny fitiavana. Ho an'io fitiavana izay manasoa, izay mamela heloka, izay manova ny fontsika sy ny fon'ny hafa.
Misaotra anao manao soa anio, na dia teo aza ny zava-drehetra nitranga!