• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Aog 5, 2025

đŸ’ȘđŸ€Jehovah hiady ho anareo

Andro namoahana Aog 5, 2025

“Izay tiako ihany io!!! Efa haiko ‘zany!! Aza mifampiteniteny!!...” Nandratra sofina ny nihaino ireo. Niezaka nandamina sy nanazava ny ankilany fa niafara tamin’ny ady sy faharavana izany. Tokantrano maro, mpiray tampo, mpihavana, mpinamana, mpiara-miasa, mpiara-mitantana, indrisy misy mpiara-mivavaka
. samy efa naheno na niaina mivantana ireo. 

Nisy fotoana aho tena tia namaly foana, ary na ho any na tsy ho any dia lasa zary fahazarako ny namaly. Niteraka faharavana maro izany tamin’ny seha-piainako fa indrindra indrindra ratra anaty tato anatiko. Mandra-pahatonga saina ahy ka naka fotoana nandinika ny teny ao amin’ny Mpitoriteny 3 dia ilay ery ambanibany ery manao hoe : “Ao ny andro anginana, ary ao ny andro itenenana” (and 7b).

Rehefa iny aho te hamaritra be ny tao an-tsaiko indray andro, dia niverina tao an-tsaiko io. Mbola saika hamaly aho hoe tsy izaho no diso, sns
 fa toa resy lahatra aho ny hangina. Nitondra fitoniana be tao anatiko izany ary ny manodidina aza nahatsapa ihany koa
 Niova ny atmosfera, nahay nitony sy nanazava am-pitoniana rehefa asain’ny Fanahy Masina manazava ary mangina tsy nisy vesatra na fahatsiarovan-tena ho resy rehefa hoy ny Tompo hoe tsy miteny eto
. Heyyy, tsy mora ny nidirana tao anatin’izany fa kosa nangataka tamin’ny Fanahy Masina ny hanampiany sy hanafiany hery ahatanterahana izany dia nataony tokoa
 Misy fotoana te hitroatra na tafa-troatra fa mora kokoa ny fiverenana anaty fitsaharana rehefa misy fifandraisana lalina amin’ny Fanahy Masina.

Anio, na inona na inona mety ady atrehinao, na mety lalovanao
 Anio na misy rano na tsy misy, na tapaka ny jiro na tsia, na nilahatra bus ianao na nandeha tongotra, na salama na marary, na ampy ny ho enti-manana na mbola miandry dia angataho ny Fanahy Masina hanampy anao ho tony, hangina sy hamela ity teny ity hitoetra ao am-ponao “Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.” Exodosy 14:14

Vonona hankatĂł izany ve ianao? Ny Fanahy Masina anie hanampy anao ahatanterahinao izany.

Fahagagana ianao!

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.