• MG
    • AR Arabic
    • CS Czech
    • DE German
    • EN English
    • ES Spanish
    • FA Farsi
    • FR French
    • HI Hindi
    • HI English (India)
    • HU Hungarian
    • HY Armenian
    • ID Bahasa
    • IT Italian
    • JA Japanese
    • KO Korean
    • MG Malagasy
    • MM Burmese
    • NL Dutch
    • NL Flemish
    • NO Norwegian
    • PT Portuguese
    • RO Romanian
    • RU Russian
    • SV Swedish
    • TA Tamil
    • TH Thai
    • TL Tagalog
    • TL Taglish
    • TR Turkish
    • UK Ukrainian
    • UR Urdu
Andro namoahana Des 26, 2025

Efa nanolotra ny fonao ve ianao?

Andro namoahana Des 26, 2025

Tena faly aho tafiaraka aminao mandritra ny fetin’ny faran’ny taona! Tena mahafinaritra tokoa ny fahafahantsika  mifandray ao anatin’izany ary tsy ny fahatsiarovantsika miaraka ny fahaterahana MAHAFINARITRA ny Mpamonjy  fotsiny - fa ny tanjoko koa dia ny mba hiainanao (indray) manokana io fahagagana io amin’ny andro ho avy. Satria eny, "Imanoela, Andriamanitra momba antsika mandrakariva"...!

Tadidinao ve? Ny hira mandeha amin'ny haino aman-jery isan-taona rehefa manodidina ny Krismasy? Hiran’ i Wham, "Last Christmas"! Misy tonga dia mampiakatra ny feon’ny haino aman-jery vao maheno fotsiny ny lohatenin’ ilay hira, ny sasany indray mivazavaza hoe: tsia, izay indray!!!

Fa maninona io hira izay nosoratana tamin'ny 1984 io, izay tena tsy dia misy ifandraisany loatra amin'ny Krismasy mihitsy, no malaza be? Avy amin'ny traikefako manokana momba ny hirako dia afaka milaza aminao aho fa ny hira izay misy hifandraisany manokana amin’ny fiainan’ny olona no tena mahomby.

Inona marina no tena tantaraina ao amin'ilay hira "Last Christmas"? Hiram-pitiavana tokoa io. Raha ny marimarina kokoa, dia fitoriana fitiavana tsy misy valiny.  “Tamin’ny Krismasy farany teo dia nomeko anao ny foko... nefa ny ampitson’iny dia narianao indray.”

Tonga tety amin’izao tontolo izao koa Jesosy taona maro lasa izay mba hanome ny fony ho an’ny olona, ​​kanefa na dia talohan’ny nahaterahany aza dia efa nilazana Izy hoe: “Tsy manana toerana ho anao izahay”.

“Ary niteraka ny Lahimatoany izy (Maria), dia nohodidininy lamban-jaza ka nampandriny teo amin'ny fihinanam-bilona; fa tsy nisy nitoerany tao an-tranom-bahiny.” ( Lioka 2:7 ).

Mitohy amin'ny andalana ny hira hoe: "Mba tsy handatsa-dranomaso amin'ity taona ity, dia hatolotro ho an'olona manokana ny foko."

Ianao koa dia manana fahafahana hanolotra ny fonao ho an “olona manokana” - Jesosy - amin’ity taona ity. Satria fantany tsara ny atao hoe tsy tiana. Na dia teo aza izany dia nisafidy ny hijanona Izy. “Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao” (jereo ny Jaona 3:16). Koa amin’ny manaraka rehefa mandreha ny “Last Christmas” ianao, dia aza maika hanova resaka, fa manontania tena hoe: “Moa ve efa nomeko an’ilay “‘marina’”, dia i Jesosy, ny foko?

Eric Célérier
Mpanoratra

Eric Célérier is a French pastor and author, and president of Jesus.net. He's recognized for his innovative use of cutting-edge technology to spread the Gospel and connect people worldwide with the Bible.