đź’Ş Aza manao reraka ianao anio.

“Tsy zakako intsony… mila hipoaka ny lohako.”
Tsia, tsy mpamaky no nanoratra ahy io fehezanteny io fa teny nivoaka ny vavako! Ary izany dia taorian'ny faran'ny herinandro niavaka tamin'ny fitetezam-paritra, izay nahafahantsika rehetra nanakaiky an'Andriamanitra!
Ary rehefa nilaza io teny io aho, dia naharay mailaka mifono hafanam-po avy amin’ny olona iray izay nanatrika tamin’ireo fotoana ireo: “Tsy vitan’ny hoe mifikitra Aminy amin’ny mora sy ny sarotra ianao, fa tena mankahery olona maro ihany koa satria tena akaiky ny fon’Andriamanitra ianao.”
Eny tokoa, fahamarinana roa niseho: ny havizanako sy ny zavatra vao avy nataon’Andriamanitra!Â
Niezaka nandresy lahatra ahy ny harerahana fa tsy tena nisy ny zavatra niainana tamin’iny faran’ny herinandro iny, ary tokony hampatsiahy ny tenako ny tena zava-misy marina aho: “rariny raha mahatsiaro reraka sy tsy misy hery hiatrehina ny anio ianao.”
Toa mitombina sy miharihary izany, fa rehefa reraka isika dia tsy hitantsika intsony ny ambiny rehetra, sa tsy izany?
Rehefa mitady hamely anao mafy ny havizanana, dia zava-dehibe ny mangina. Mangina eo anatrehan'ny Andriamanitrao. Eny, midika fotsiny izany ho anao hoe: “Mitsahara, aza manao reraka anio, fa makà aina!”
Noho izany, miezaha tsy manao hetsika anatin’ny havizanana fa aleo ny Andriamanitrao no hiasa!
Ary tsy miova mandrakariva Andriamanitra, sady tsy mba leo Izy.
“Indro, tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Isiraely. Jehovah no Mpiaro anao…” (Salamo 121.4-5)
Aza avela hanajamba anao tsy hahita ny marina ny laingan'ny harerahana. Mety reraka ianao. Mety ho “eo akaikin’ny fipoahana” koa ianao, nefa aza manaiky hino ny lainga hoe efa niala taminao Andriamanitra.
Manantena aho fa ho tafaroboka tanteraka ao anatin’ny fitsaharana ianao anio, amin’ny fahafantarana tsara fa “ho andro vaovao ny ampitso!”
Fahagagana ianao !

