🪟 Aza akatona ny varavaran’ny Lanitra!
Rehefa mandeha amin'ity fahamarinana vaovao ity isika, izany hoe hiaina ny fisokafan’ny Lanitra eo amin’ny fiainantsika, dia manomboka miaina fotoana sarobidy tsy tapaka, ary mahita fahagagana amin'ny lafiny rehetra amin'ny fiainantsika.
Mety hitranga izany amin'ny fahasalamantsika, amin'ny toe-javatra mifandraika amin'ny asa, eo amin'ny fifandraisantsika... ary eo amin'ny fitantanam-bolantsika koa aza! Raha ny marina, dia diniho izay nolazain’ny Tompo tamin’ny olony ao amin’ity andinin-tsoratra masina ity: “Entonareo ny fahafolon-karena rehetra ho ao amin'ny trano firaketako, mba hasian-kanina ao an-tranoko, ary izahao toetra amin'izany Aho, hoy Jehovah, Tompon'ny maro, raha tsy hovohako ny varavaran'ny lanitra ho anareo ka hampidinako fitahiana manana amby ampy ho anareo.” (Malakia 3:10).
Eny, Andriamanitra no manokatra ny varavaran’ny Lanitra eo amin’ny fiainantsika, ary amin’ny lafiny rehetra, anisan’izany ny ara-bolantsika. Efa imbetsaka aho no niaina izany fahamarinana izany teo amin’ny fiainako.
Taona maro lasa izay, tsaroako ny nandalo fotoana nisy fahasarotana ara-bola. Izaho dia tena malala-tanana sy tia manome foana, nefa tamin’izay fotoana izay, dia nahatsapa ho sahirana ara-bola aho ka tsy nanome intsony nandritra ny volana maromaro. Nihevitra aho tamin'izay fa izany fanapahan-kevitro izany dia hanampy ahy amin’ny ara-bolako, sy hamerina amin’ny laoniny ny zavatra rehetra, ka hahatonga ahy afaka hanome indray.Â
Tsy nahatsiaro fiadanam-po anefa aho tao anatin’izany. Rehefa avy nisaintsaina sy nivavaka nandritra ny herinandro maromaro aho, dia tsapako Andriamanitra miteny amiko fa tokony hanohy hanome ny fanatitra izay efa fanaoko teo aloha aho. Tena te hanao izany aho, nefa natahotra aho sao tsy ho ampy ny volanay! Nanapa-kevitra tam-pinoana aho noho izany, ny tsy hanao kajy ara-bola ary hankatò fotsiny amin’ny fanomezana izay napetrak’Andriamanitra tao am-poko.
Rehefa nanao izany aho dia nahatsapa fifaliana lalina, avy eo fiadanana sy fifaliana be! Nifidy ny hankatò an’Andriamanitra aloha aho fa tsy ny teti-bolan’ny fianakaviako na ny tahotro. Ary fanampin’izany rehetra izany dia afaka mandray anjara amin’ny fanitarana ny Fanjakany aho! Nanapa-kevitra aho tamin’io andro io, fa na ahoana na ahoana, dia hanome ny fahafolon-karenako sy ny fanatitra ho an’Andriamanitra foana aho, ho fanehoana finoana sy fitiavana Azy.
Ny vokatra mahagaga tamin'ity tantara ity dia ny hoe raha tokony ho very vola aho, dia nanomboka niaina fitomboana ara-bola! Betsaka ny varavarana vaovao nisokatra, feno hevi-baovao avy amin’Andriamanitra tao an-tsaiko, ary tamin’ny farany dia afaka niaina ireo “varavarana mivoha any an-Danitra” voalaza ao amin’ny andalan-tsoratra masina anio aho. Tena nahafinaritra tokoa ilay izy!
Mazava ho azy, tiako marihana fa tsy namafy aho mba hahazoana ireo fitahiana ireo, na noho ny fitiavan-tena : nanao izany aho satria tena te hankatò izay nolazain’Andriamanitra tamiko tamin’io fotoana io, ary mba handresena ny tahotro. Ary koa, te ho malala-tanana aho mba hitahiana sy hanitarana ny Fanjakany. Tena tiako ny mahita ny fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra!
Aza matahotra manome sy malala-tanana! Tsy mitovy amin’ny antsika ny Kajin’Andriamanitra, ary te hitahy anao betsaka Izy. Manaova dingan'ny finoana anio, ary avelao Andriamanitra hampitolagaga anao =) Mivavaka ho anao aho!