Avelao Andriamanitra hamerina ny fanantenanao indray !
Manahoana ianao ry Namako,
Samy efa noratraina isika teo amin’ny fiainantsika. Samy efa nandalo zava-tsarotra ka toa maizina ny tany aman-danitra. Fa misy fanantenana : Andriamanitra Tsitoha ny Andriamanintsika !
Izao no nosoratan’i Nicole, mpamaky ny “Fahagagana isan’andro”, ary tena nahakasika ny foko.
Misaotra anao aho noho ny “Fahagagana Isan’Andro”. Tsy azonao an-tsaina ny fahasoavana entin’ny fampaherezanao amin’ny olona mandalo fotoan-tsarotra tahaka ahy.
Tao anaty ranomaso, fahaverezan-kevitra sy fahanginana no nandaniako ny faran’ny herin’androko, tao anaty lavaka mangitsokitsoka, naratra ny fo ary tena tapi-dalan-kaleha.
Misaotra noho ny fampaherezanao androany maraina, izay nahatonga ahy hino an’Andriamanitra, hanantena Azy, hatoky Azy amin’ny zavatra rehetra, ary hametraka Azy eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainako.
Takatro amin’izay fa manana planina ho ahy Andriamanitra hahafahako miaina ny fiainana nomaniny ho ahy.
Miala ny tahotra rehefa eo amin’ny fanatrehany isika ary niverina indray ny fifaliako efa very teo.
Misaotra anao aho noho ny zavatra nozarainao tamiko. Faly aho raha niverina indray ny fifalianao. Efa nanomboka niasa Andriamanitra dia inoako fa mbola hiasa satria matoky azy ianao !
Ry Namako, amin’ny finoana no ahazoantsika ny teny fikasana, fa tsy handray na inona na inona isika raha mihaino ny laingan’ny devoly. Izy no mpiampanga, ary ianao no hampangainy voalohany, amin’ny alalan’ny sainao, raha manaiky ianao. Aza mihaino azy ! Henoy Jesosy, hinoy ny teny fikasàny dia manantenà !
Toa an’i Nicole, mifidiana ny hatoky an’Andriamanitra sy ny hanome Azy ny toerana voalohany eo amin’ny fiainanao dia ho hitanao ny fahagagany !
Tahin’Andriamanitra manokana ianao!