Avelao Aho hitia anao !
“Sarobidy loatra eo imasoko ianao! Ka rahoviana ianao no hihevitra ny tenanao ho mendrika ny fitiavako anao?”
Mirehitra ato am-poko izany teny izany rehefa nivavaka ho anao aho anio - andro izay feno fifaliana ho an’ny sasany ary feno alahelo ho an’ny hafa.
“Rahoviana Aho no avelanao hitia anao?"
Oh, raha mba hitanao ny ranomasoko amin’izao fotoana izao! Tsia, tsia, tsy ranomason’alahelo akory! Fa mahatsiaro sambatra aho na dia tsy misy peratra aza ny tanako đđ Ary io fahasambarana io, dia tena tiako hozaraina aminao satria hitako ny tena fitiavana!
Impiry moa ny foko no naratra noho ny nataon’ny lehilahy, kanefa sitrana foana izany avy eo. Satria tsy nandany na dia segondra iray monja aza aho mialohan'ny nanankinako ny foko tamin'Ilay namorona azy. Tsy te hiaina miaraka amin’ireny ratra sy fahangidiana ireny aho. Nandà ny fanekena izao fisainana izao aho hoe :”Tsy mino ny tena fitiavana intsony aho”, satria midika izany hoe :”Tsy mino an’Andriamanitra intsony aho!”
Tsy tokony haratra mihoatra ny fanasitranana azy ny fonao!
Anio, dia te hizara aminao teny telo aho : “Andriamanitra dia fitiavana” (1 Jaona 4.16) Ary azonao alaina izany fitiavana izany anio - raha tadiavinao! (Jakoba 4.8)
Irin'Andriamanitra ny hanombohanao ho tia ny tenanao, rehefa hatanjahin'ny fitiavana omeny anao ianao. Miantraika aminao izay manana olon-tiana na manam-bady koa izany! Raiso ny fitiavan’Andriamanitra anio, ary enga anie ianao hizara izany amin’ny olon-tianao, ny fianakavianao, na ny namanao.
Fanomezana sarobidy loatra izany - izay hitahy anao, sy ny fifandraisanao (any aoriana any), mihoatra lavitra noho izay azonao eritreretina.
Tiana IANAO! â€ïž