🍷 Aoka hesorina amiko ity kapoaka ity !

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🍷 Aoka hesorina amiko ity kapoaka ity !

Efa naniry hanafaka ny tenanao tamina asa tsy maintsy ataonao ve ianao ? Saingy nanapa-kevitra ihany ianao, nony farany, ny hanao izany noho ny fahafantaranao fa tena tsara ny valisoany.
Mahazo antsika rehetra izany ary amin’ny lafiny maro amin’ny fiainantsika. Ohatra hoe, ianao koa mety :
Aleonao matory maraina toy izay handeha hiasa. Nefa satria fantatrao fa zava-dehibe ny asanao – sy ny karamanao amin’ny faran’ny volana =), dia mandray fanapahan-kevitra ny hiarina ianao mba handeha hiasa. Mba tianao ny hijanona ao an-trano, mipetraka tsara eo am-pandriana, mijery fandaharana amin’ny fahitalavitra … Saingy mahery noho izany ny fanirianao hanatsara ny toe-batanao ka manosika anao hiakanjo mba hanao fanatanjahan-tena.
Betsaka ny ohatra mitovy amin’ireo azontsika raisina. Ary toa antsika, dia niatrika fisalasalana i Jesosy. Ny marina dia fantany fa efa tonga ilay fotoana manan-danja teo amin’ny fiainany ka hanao sorona ny tenany teo amin’ny hazofijaliana Izy ary amin’izany dia hitondra ny fahotan’ny olombelona.
Ankilany, tsy te hanao izany Izy. Saingy etsy andaniny, te hanatanteraka ny drafitra sy ny sitrapon’ny Ray Izy.
Ary io alina io ihany, ny fahorian’I Jesosy dia nitarika Azy hangataka tamin’ny Ray mba tsy hisotro izany kapoaka mangidy izany, raha azo atao (Matio 26:39-42).
Manambara ny Baiboly fa tamin’izay dia nampahery an’I Jesosy ny anjely (Lioka 22:43). Ahoana no nahafahan’ny anjely nampahery ilay Loharanon’ny fiainana ? Tamin’ny alalan’ny fanehoana Taminy ny vokatry ny sorona nataony.
Hoy ny Baiboly hoe Jesosy dia “naharitra ny hazofijaliana mba hahazoany ny fifaliana napetraka teo anoloany” (Hebreo 12:2). Nandresy ny fahoriana tamin’ny alalan’ny herin’ny fifaliana Jesosy ! Eny, ny fifaliana noho ny fahafantarana fa ny fahafatesany dia hanome fiainana ho anao, ary ny sorona nataony dia handresy mandrakizay ny haizina miasa eo amin’ny fiainanao.
Ry namako, mitondra fifaliana lehibe ho an’ny fon’Andriamanitra ianao ! Mety efa nieritreritra ianao hoe tsy misy vidiny na tsy mahomby. Raha izay no izy, dia tohero avy hatrany izany lainga avy amin’ny haizina izany. Manan-danja loatra ianao ka nanome ny Ainy ho anao ilay Loharanon’ny fiainana, mba hahatonga anao hiaraka Aminy mandrakizay any an-danitra !
Isaory miaraka amiko Izy anio noho izay rehetra nataony ho anao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!