🌥 Fiainana mandrakizay miaraka aminao…
Tadidinao ve ireo andro voalohany taorian’ny fihaonanao tamin’i Jesosy?
Izaho manokana dia ankafiziko ireny fahatsiarovana ireny. Tao aorian’ny nandraisako an’i Jesosy tato am-poko dia nanomboka niova tanteraka ny fiainako.
Tsapako fa tena misy Andriamanitra. Ambonin’ny Fahamarinany dia hitako fa mahafantatra ahy koa Izy, tia ahy ary maniry ny hanana fifandraisana manokana sy lalina amiko.
Tsaroako izaho mibanjina ny lanitra imbetsaka isan’andro. Nipetraka aho, nijery teo am-baravarankely ary nieritreritra ny fiainana mandrakizay, ny fiarahana amin’i Jesosy any an-danitra. Izany eritreritra tokana izany no mameno fifaliana ahy !
Tamin’izany fotoana izany dia nanana fahazarana mieritreritra ny maha samy hafa an’i Jesosy amin’ireo karazam-pivavahana rehetra aho. Tsy misy fivavahana eto amin’izao tontolo izao miresaka momba an’Andriamanitra tia ny zavaboaariny, mainka fa andriamanitra izay vonona ny hanao sorona ny tenany ho an’izany.
Eny, ny hafatr’i Jesosy no sarobidy indrindra amin’ny rehetra, fa ny tena tsara indrindra dia Izy no fahamarinana ! Jesosy irery ihany no afaka manova fiainana! Fa amin’ny Anarany no misy fahafahana sy fiovana.
Raha ny marina dia nandoa ny vidiny ambony indrindra Izy « mba tsy ho very ianao fa hanana fiainana mandrakizay. » (araky ny Jaona 3 :16). Tsy tsara loatra ve izany ?
Ry namako, tena tia anao Andriamanitra ka tsy te hisaina ny mandrakizay tsy misy anao Izy ! Ary Jesosy aza dia vonona nandoa ny vidiny ambony indrindra noho ny fitiavany anao. Tena sarobidy loatra aminy ianao !
Anio dia te hanasa anao aho mba haka fotoana kely hieritreretana momba ny Lanitra, ilay toerana Sarobidy izay nomaniny ho anao…ary indrindra momba an’i Jesosy. Avelao Izy hameno fankasitrahana ny fonao amin’ny fampahatsiahivana anao ny zavatra rehetra nataony ho anao sy izay rehetra efa nomaniny ho anao mialoha.
Fanomezan’Andriamanitra ho an’ny manodidina anao ianao.