Zava-dehibe ny mamarana tsara !
Manahoana ianao ry Namako,
Afaka andro vitsy dia hifanotona indray ny fandraisana fanapahan-kevitra. Zavatra tsara ny fandraisana fanapahan-kevitra tsara satria fotoana ahafahana misaina ny fahazarana vaovao ho atao, andraisana fiaingàna vaovao.
Saingy mila mamarana tsara ny taona aloha. Hoy ny Baiboly: “Aleo ny mamarana asa toy izay ny manomboka azy; aleo olona mahari-po toy izay ny miavonavona.” (Vakio ny Mpitoriteny 7.8) ary inoako ny fisian’ny fahendrena ao anatin’izay. Ny fiheverana fa zava-dehibe kokoa ny famaranana mihoatra noho ny fanombohana dia manome antsika fomba fijery hafa ny amin’ny hamaranana ity taona ity.
Rehefa mijery ireo 12 volana lasa ianao, inona no mby ao an-tsainao? Ho ahy manokana dia tsy mora ny làlana isan’andro. Ao ireo fotoan-tsarotra, ny harerahana noho ireo andraikitra maro samihafa, ny tsy rariny na ny tsy fahatakarana manoloana hevi-baovao saingy Andriamanitra dia nanatsotra ny tànany foana mba anampiana ahy, hamonjena ahy sy hiarahana amiko. Misaotra Azy amin’ny foko rehetra aho noho izany.
Araka ny efa nosoratako ho anareo in-dray andro “Rehefa miaina ao anatina tontolo feno fankasitrahana isan’andro isan’andro ho an’ireo zavatra nomen’Andriamanitra isika, tahaka ny ray mendrika dia ampitomboiny eo amin’ny fiainantsika ireny.” Mino aho fa mba hamaranana tsara ity taona ity dia mila atao amin’ny fankasitrahana izany, amin’ny fanati-pisaorana… eny na dia anaty fotoan-tsarotra aza.
Manasa antsika ny Baiboly mba hidera tsy ankiato an’Andriamanitra, n’inon’inona zava-miseho. Ny fankasitrahana dia manan-danja ho an’ny foko manokana. Ary te-hiteny hoe “Misaotra” ny Tompo fotsiny aho. Misaotra ny amin’ny zavatra rehetra sy ny zava-mitranga. Te-hamarana ity taona ity amin’ny fo feno fankasitrahana aho !
Manasa anao aho hiara-hivavaka amiko: “Tompo ô, misaotra ny amin’ny taona nodiavina. Tsy te-ijanona eo amin’ny fahasosorana aho na amin’izay tsy nanjary. Fa te hibanjina kosa Anao. Te-handeha amin’ny fankasitrahana sy fankatoavana aho. Misaotra fa mihavao isan’andro ny famindram-ponao amin’ny andro miherina rehetra. Amin’ny anaran’i Jesosy, amen!”
Misaotra fa misy ianao !