Zava-dehibe ny Finoana

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Zava-dehibe ny Finoana

Ny Talata maraina dia niverina tao Jerosalema Jesosy sy ny mpianany. Nandalo ilay aviavy maina izy ireo ary noresahin’i Jesosy azy ireo indray ny maha-zazva-dehibe ny Finoana.

Manao ahoana ny finoanao anio? Maka fotoana kely dia saintsaino izany fanontaniana izany ary midira anaty vavaka hangatahinao amin’Andriamanitra finoana MISIMISY.

Ao amin’ny Tempoly dia tezitra tamin’i Jesosy ireo lohandohan’ny Mpisorona noho Izy nametraka fahefana ara-panahy. Nikonokonona fandrika izy ireo mba hisamborana Azy. Fa tafatsoaka izany Jesosy ary nanonona fitsarana mafy ho azy ireo manao hoe : “Ry mpitarika jamba!…fa ianareo dia tahaka ny fasana voalalotra fotsy, izay miseho tsara tarehy eo ivelany, nefa ny ao anatiny dia feno taolan’ny maty mbamin’ny fahalotoana rehetra. Raha amin’ny eo ivelany dia miseho amin’ny olona ho marina, nefa ny ao anatinareo dia feno fihatsaram-belatsihy sy tsi-fankatoavan-dalàna… Ry bibilava, taranaky ny menarana, hataonareo ahoana no fandositra ny fanamelohana ho any amin’ny helo?” (Matio 23:24-33)

Manasa anao aho haka fotoana fohy dia amboraka izay endrika fiatsarambelatsihy amin’ny fiainanao. Handeha hangataka amin’i Jesosy isika mba ho fo itoeran’ny fiainana fa tsy fahafatesana ny fontsika.

Handeha tohizana. Ny harivan’io dia niala teo an-tanana Jesosy sy ny Mpianany ho any an-tendrobohitr’Oliva, izay mahatazana an’i Jerosalema. Teo dia nanome hafatra Jesosy momba ny andro farany. Fanoharana hatrany no nampiasainy, oha-pitenenana momba ny fiavian’ny faran’andro, sy ny fiaviany indray ary ny fitsarana farany.

Inona no hitantsika? Hitantsika fa mampanantena Jesosy fa hiverina Izy! Hiverina Izy, ary ny fivavako dia ny hifikirantsika amin’izay Fampanantenam-pitahiana izay anio!

Ny tenin’Andriamanitra koa dia mampianatra antsika fa io Talata io no andro nifanarahan’i Jodasy Iskariota tamin’ireo lohandohan’ny mpisorona ny amin’ny andro hamadihana an’i Jesosy (Matio 26:14-16).

Anio dia afaka manasa an’i Jesosy ao amin’ny ampaham-piainantsika izay mety nanaovantsika toa an’i Jodasy. Anio dia afaka ny hihoatra ny famadihana ary hisafidy ny lalana madio sy mahagaga an’i Jesosy. Handeha hiara-hivavaka amiko rehefa hisafidy ao am-pontsika isika ny tsy hanao zavatra izay hamadika ny fitiavana sy fahafoizana nataon’i Jesosy.

Jesosy o, misaotra anao izahay noho ny fotoana mangina teny an-tendrombohitr’Oliva. Misaotra Anao izahay fa nomenao anay ny Fanantenan’ny fiverenanao am-pandresena. Mivavaka araka ny Salamo 139 izahay manao hoe: “ Diniho aho, Andriamanitra ô, ary fantaro ny foko; Izahao toetra aho, ary fantaro ny eritreritro; Ary izahao na misy lalana mampahory ato anatiko, Dia tariho amin’ny lalana mandrakizay aho.” (Sal 139:23-24)

Aza avela hanenika anao ny henatra! Tsy avy amin’i Jesosy izany. Raiso am-pandresen-dahatra ny herin’ny Fanahy Masina izay manome toky fa TSY misy fanamelohana ao amin’i Kristy Jesosy! Azony ny fanantenana fa afaka ny hitombo sy hisafidy ny fahatokiana isika noho ny famadihana!

Fahagagana ianao!

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!