Voafetra ve ny fahazoan-dalanao ?
Efa renao ve ilay andinin-tsoratra masina miresaka momba ny fiovana ho toy ny zaza madinika ?
Ny ankizy madinika dia manana toetra izay mahate-hidera : afaka mino ny zava-drehetra izy ireo. Manana ilay finoana izay tena miraikitra ao am-pony izy ireo, ilay fahafahana mino sy matoky izay lazaintsika aminy, mahita hatsarana na aiza na aiza. Rehefa mihalehibe isika ka lasa olon-dehibe, dia manamafy ny tenantsika noho ny tsy fahombiazana sy ny fahadisoam-panantenana izay niainantsika. Lasa miahiahy isika ary mirona amin’ny fanakatonana ny fontsika. Mbola betsaka nefa ny zavatra tokony hianarantsika amin’ny ankizy!
Hoy Jesosy : « Avelao ny zaza, ary aza rarana tsy hanatona Ahy; fa an’ny toa azy ny fanjakan’ny lanitra » (Matio 19 :14). Raha ny marina dia tsy tian’ny mpianatra hanatona Azy ireo ankizy. Tsy noheverin’izy ireo ho manan-danja ireo nefa hoy Jesosy :”Aza rarana izy”. Ry namako, rehefa manatona an’Andriamanitra amin’ny fahatsorana sy ny finoan’ny ankizy ianao dia tsy misy mahasakana anao hiditra eo amin’ny Fanatrehany !
Androany, manatòna an’Andriamanitra anatin’ny fahatokiana ny Fahatsarany dia ho hitanao ny fisehoan’ny Fanjakan’ny lanitra mbola tsy nisy toy izany eo amin’ny fiainanao. Fotoana izao hanatonana azy toy ny ankizy izay avy amin’ny fifaliana eo anatrehan’ny Rainy. Mahafaly Azy loatra izany ary mitondra haravoana feno ho Azy !
Ndeha isika hivavaka : “Tompo o, misaotra Anao fa Ray tsara indrindra ianao ka mamela ahy hanatona eo anoloanao toy ny ankizy. Misafidy ny hino amin’ny foko manontolo aho ary hatoky Anao, na inona na inona mitranga, na inona na inona vidiny. Zava-drehetra amiko Ianao Tompo o ! Asandratra avo eo amin’ny fiainako anie ny Anaranao, hanaja Anao amin’izay rehetra ataoko androany anie aho. Amin’ny anaran’i Jesosy, amen !