Tiavo Izy amin’ny sainao rehetra!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Tiavo Izy amin’ny sainao rehetra!

Tonga amin’ny fiafaran’ity andiany ity isika, ary tiako hofaranana  izany amin’ny fanasana anao hanao dingana iray indray anio.

Eny, androany aho dia te hifantoka amin’ireo fotoana izay hifandraisantsika amin’Andriamanitra amin’ny fomba manokana. Ireny fotoana ireny no ahafahantsika mampifantoka ny eritreritsika, ny fontsika, ny fihetseham-pontsika ary ny fanahintsika Aminy.

Fantatrao ve , fa ireny fotoana manokana hivavahana ireny, ny fiderana Azy, izay ho Azy manontolo, ary ao anatin’izay dia mahatsapa tanteraka ny Fanatrehany isika mandritry ny fotoana vitsy ary tena tafaray Aminy ny tenantsika. Manavao ary mahakasika antsika manokana  ireny fotoana ireny! Santatra mialoha ny hiainantsika any an-danitra ireny!

Manome antsika izao didy malaza izao ny Baiboly: “Tiava an’i Jehovah Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra sy ny sainao rehetra ary ny herinao rehetra.” (Marka 12:30).

Izany didy izany dia milaza ny zava-misy marina amin’ny fotoana rehetra eo amin’ny fiainantsika. Ao anatin’ireny fotoana manokana hifandraisantsika lalina amin’Andriamanitra ireny ihany koa no ahafahantsika mitia Azy amin’ny tenantsika manontolo.

Oviana no nanananao fotoana farany tahaka izany niaraka tamin’Andriamanitra? Oviana no fotoana farany nampifantohanao ny eritreritrao sy ny sainao rehetra tao Aminy, ka nankalazanao Azy tamin’ny fonao manontolo?

Ry namako, androany ianao dia manana fahafahana hanokana fotoana hitiavana Azy amin’ny sainao rehetra, sy hampifantoka tanteraka ny eritreritrao Aminy mandritra ny fotoana fohy.

Te-hanasa anao aho handefa mozika fiderana ao amin’ny efitranonao, amin’ny fotoana hikatsahanao ny Fanatrehan’Andriamanitra. Fotoana izay ahafahanao manomboka misaotra Azy, mifaly Aminy amin’izay rehetra nataony sy mbola hataony eo amin’ny fiainanao. Fotoana iray ahafahanao milaza aminy ny halehiben’ny fitiavanao Azy sy ny halehiben’ny fanirianao hahafantatra Azy bebe kokoa…

Mivavaka aho mba ho tena sarobidy tokoa izany fotoana izany, ary hisy fiantraikany amin’ny andronao sisa! Enga anie ny Fanatrehan’Andriamanitra handrakotra ny sainao sy ny eritreritrao, anio ary ho mandrakizay.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!