Sorena aho ! 😡

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Sorena aho ! 😡

Hitanao sarotra ve ny manam-paharetana ?
Izaho manokana dia naniry hatrany ny hahazo ny zavatra rehetra faran’izay haingana indrindra azo atao.
Miseho amin’ny endrika isan-karazany ny tsi-faharetana eo amin’ny fiainantsika : te hahazo zavatra haingana be isika, manohitra mafy isika manoloana ireo toe-javatra tsy mahafinaritra antsika, sorisorena isika, sns. Saingy miasa amin’ny fomba hafa Andriamanitra. Tiany ho feno faharetana ny fiainanao ary ny Fitiavany no mamela anao hanana faharetana.
Ny Baiboly dia milaza fa ny fitiavana dia «mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.» (I Korintiana 13 :7). Tena maharitra tokoa ny fitiavana ! Arakaraka ny itiavanao an’Andriamanitra sy itiavanao ny olona no isehoan’io vokatra sarobidy io eo amin’ny fiainanao. Ho mora kokoa aminao ny miandry, hifehy tsara kokoa ny fihetseham-ponao ianao, ary vokatr’izany, hahita ny refin’ny fiadananao hitombo ianao.
Ny faharetana dia siansan’ny fiadanana, ny fahaiza-miandry ary ny fiaretana manoloana ny fisedrana. Izany no mahatonga ilay andalana ao amin’ny Galatiana 5:22 miresaka momba ny “faharim-po”. Ry namako, ny faharetana dia manampy anao hiaritra marina ary ho mpandresy.
Androany, inona no azonao hatao mba hampitomboana ny faharetanao ? Mivavaka aho mba hanome hevitra maro anao ny Tompo ary hanampy anao hampitombo bebe kokoa io voa io eo amin’ny fiainanao. Tena ho tsara ho anao ny vokatr’izany !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!