Ry namako, tsy ho azonao an-tsaina izay hataon’Andriamanitra amin’ny fiainanao.
Ruffin, izay diplomate ankehitriny, dia nandalo fotoan-tsarotra. Rehefa nisafidy ny hanaraka an’Andriamanitra izy, dia nanary azy ny ray aman-dreniny ary nandroaka azy tao an-tranony. Lasa natory teny amin’ny fanaovana baskety tao am-pianarany izy noho izany. Raha nisafidy ny handà ny taleany izay nikasa hampiditra azy amin’ny sekta izy, dia voaroaka ny ampitso. Ohatry ny nikatona taminy avokoa ny varavarana rehetra nandritra ny roa taona. Raha tokony nitaraina Ruffin dia nisafidy kosa ny haharitra hatoky an’ny Tompo sy hanompo ny hafa. Indray andro dia nanao fahagagana ho azy Andriamanitra. Nivavaka ho azy ny pasiterany ary ny ampitso izy dia nahazo tolotr’asa. Anio dia efa nasandratr’Andriamanitra ambony lavitra izy!
Ny Baiboly dia milaza… “Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masina ianareo sady mbola manompo ihany.” Hebreo 6.10
Nahatoky i Ruffin, nifikitra tamin’Andriamanitra izy ary nanokatra varavarana tsy takatry ny saina ho azy Andriamanitra. Ary mbola fanombohana izany. Misaotra Ruffin ny amin’ny fonao sy ny fanoloran-tenanao ho an’i Jesosy. Mirary ny tsara lavitra ho an’ny vadinao sy ho anao izahay.
Ny Baiboly dia milaza fa izay mahatoky amin’ny kely indrindra no hanapaka amin’ny be. (Lioka 16.10). Fampanantenana izany ary Andriamanitra dia mahatoky amin’ny fampanantenany.
Ry namako, tsy ho azonao an-tsaina izay azon’Andriamanitra sy hataon’Andriamanitra amin’ny fiainanao raha vonona ny hahatoky amin’ny kely indrindra ianao.
Afaka manova ny trangan-javatra eo amin’ny fiainanao Andriamanitra, afaka manova ny firenenao Madagasikara Izy. Ary ho ataon’Andriamanitra izany raha miray saina mba hahatoky sy ho marina amin’ny kely indrindra ny Malagasy, mba hahafahana manapaka amin’ny be. Tian’Andriamanitra ianao.