Ry namako, mijery anao am-pitiavana Andriamanitra

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, mijery anao am-pitiavana Andriamanitra

Nanana anabavy iray izay nila rà ity zazalahy kely. Nazavain’ny mpitsabo taminy fa nitovy tamin’ny aretiny sitrana roa taona lasa izay ny aretin’ny anabaviny, Marie. Ary ny fomba tokana hamonjena an’i Marie dia ny handraisany rà avy amin’olona efa naharesy io aretina io.
“Manaiky hanome rà ny anabavinao Marie ve ianao ?” hoy ny dokotera taminy. Nisalasala i Johnny. Nangovitra ny molony. Nitsiky izy avy eo dia niteny hoe : “ Raha ho an’ny anabaviko, mazava ho azy !” Nentina haingana tany amin’ny hopitaly izy ireo.
Natsofoka tamin’ny sandrin’i Johnny ny fanjaitra… Rehefa vita izany, dia niteny tamin’ny feo mangovitra i Johnny hoe : “Rahoviana aho izany no ho faty ?” Teo vao fantatry ny dokotera ny antony nampisalasala ilay zazalahy kely. Noheveriny fa ny fanomezany ny rany dia hamoizany ny ainy.
Tao anatin’ny toerana ratsy noho ny toeran’i Marie isika rehetra ary tsy maintsy nanome ny rany sy ny ainy Jesosy hamonjena antsika. (1Petera 1.19)
Izany no antsoin’ny Baiboly hoe “Sorom-panavotana”. Avy amin’ny teny grika hoe “hilaskomai” midika hoe “ mety, mitony, mankasitraka.” Hoy ny Baiboly ao amin’ny Hebreo 9.22 hoe ny sorom-panavotana dia fandatsahana ny ràn’ny tsy manan-tsiny ho an’ny meloka.
Amin’ny alalan’ny ran’i Jesosy, mijery anao am-pitiavana Andriamanitra ! Tsy te hisaotra an’Andriamanitra miaraka amiko ve ianao noho ny rà sarobidin’i Jesosy ? Handeha hisaotra Azy isika noho ny sorona nataony hamonjena antsika, ary na inona na inona mbola mety hiainantsika eto Madagasikara dia mankahery anao aho anio, fa efa nentin’i Jesosy ny mety endrika aretina sy olana rehetra ary efa resiny izany. Mahereza !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!