Ry namako, manam-pahavalo ve ianao?
Saintsaino kely anie ity fanontaniana ity: manana fahavalo ve ianao? Angamba misy olona tonga ao an-tsainao izao, ary tadidinao ny zavatra ratsy rehetra nataony taminao.
Saintsaino indray ary izao : Miantso antsika i Jesosy mba ho tia ny fahavalontsika sy hivavaka ho azy. Fantatrao ve ny antony ? Satria tsy tena fahavalontsika izy ireo fa olona mila an’Andriamanitra hanova ny fiainany. Iray ihany ny tena fahavalontsika, izay antsointsika hoe “fahavalo”. Raha ny marina, ny Baiboly dia milaza fa ny ady ataontsika dia tsy amin’ny olona, fa amin’ny zava-misy ara-panahy izay misy heriny eo aminy. Io fahavalo ara-panahy io no mitady hampisavorovoro ny fifandraisantsika, ilay mitady hangalatra sy hamono ary handrava izay rehetra azo atao eo amin’ny fiainantsika.
Hoy ny Baiboly: “ Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian’Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra hianareo.” ( Efesiana 6:13 ). Ny fahavalontsika dia ara-panahy, ka izany no ilana fitaovam-piadiana mba hahafahantsika manohitra azy sy handresy azy ary hijoro tsara.
Ny vaovao tsara dia hoe manana ny fiadian’Andriamanitra rehetra eo am-pelatananao ianao. Eny, ny fiadian’Andriamanitra dia “miaro” antsika amin’ny fahavalo! =)
Andeha isika hivavaka : “Tompo ô, misaotra Anao indrindra aho fa noho ny fanampianao dia nahazo fandresena tamin’ny asan’ny fahavalo izahay. Mangataka Aminao aho mba hanome ahy fahendrena hamantatra izay rehetra mitranga ara-panahy, ary hanampy ahy hitafy ny fiadianao isan’andro, vonona hiady. Misaotra noho ny fandresenao teo amin’ny fiainako! Amin’ny anaran’i Jesosy, amen!”