Ry namako, mamelà heloka indray.
Mamela heloka indray, inona izany ? Fampianarana vaovao ?
Tsia, fampianaran’i Jesosy izay mila takatsika tokoa izany.
Indray andro, nisy namako iray niresaka tamiko mikasika olona anankiray izay tena nandratra ahy taloha, tamin’ny fanaratsiana ampahibemaso tao amin’ny Aterineto.
Tampoka teo, raha efa namela an’izay olona izay tamin’ny foko rehetra aho ary efa nirary ny tsara indrindra ho azy, dia niverina indray ny lonilony tato anatiko. Lasa te hivadika ho “mpamaly faty” aho. Nefa Andriamanitra dia nazava : Azy ny famaliana, fa tsy antsika…
Soa ihany fa nampianarin’Andriamanitra fahamarinana manan-danja iray aho. Mila mamela heloka isika ary mamela heloka foana. Indray andro i Petera dia nanatona an’i Jesosy. Azo antoka fa te hampiaiky volana ny mpampianatra izy, ka nilaza Taminy : “Tompoko, impiry moa no hanotan’ny rahalahiko amiko, ka havelako izy? Hatramin’ny impito va?”
Heveriko fa tena nanao izay ezaka farany izy fa ny valintenin’i Jesosy dia nahagaga.
In-490 (70×7 isa) !! Jereo Matio 18:21-22
Mety handratra antsika in-490 ve ny olona iray ? Mety hisy izany, fa vitsy kosa ! Fa raha misaina izany impolo na injato isika, na im-7 ampitoboina 70 (490), dia indrisy fa toa azontsika atao tsara izany !
Inoako fa ny zavatra ampianarin’i Jesosy antsika, dia, amin’ny fotoana miverina ny fahatsiarovana an’izany ratra izany, dia mila mamela isika ary mamela hatrany, izany hoe mamela indray.
Ny famelana dia safidy, ny mitoetra ao anatin’ny famelana dia safidy koa. Nisafidy izany aho mikasika ilay olona izay nandratra ahy. Namela indray an’ilay olona aho, tsy hoe satria nandratra ahy indray izy, fa indrindra indrindra nandratra ahy indray izany.
Avelao Andriamanitra hanasitrana anao, ary raha ilaina avelao Izy hanao izany indray. Tsy amin’ny herinao fa amin’ny alalan’ny Fanahiny.