Ry namako, aoka ny ENY-nao ho an’i Jesosy ho tanteraka!

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ry namako, aoka ny ENY-nao ho an’i Jesosy ho tanteraka!

Tamin’ny fotoana nanolorako ny fiainako ho an’i Jesosy dia nataoko manontolo izany. Nomeko Azy daholo ny momba ahy rehetra tamin’izany fotoana izany… Nomeko Azy ny tsy fahombiazako, ny tsy filaminako. Napetrako teo am-pelatànany avokoa. Nahatoky Azy aho ary nanaiky hanolotra ny fiainako tsy am-pisalasalàna. Izay no làlana afaka anolorana tanteraka ny fo ho an’i Jesosy.
Ny Tompo dia miandry fifamatoram-pitiavana matotra, lalina ary marina. Io fifamatorana io dia ilay teo amin’ny hazo-fijaliana ho tombony ho anao. Tsy misy marimaritra teo amin’ny hazo-fijaliana… Avy dia ENY tanteraka. Ilay eny izay manome fiainana sy fahafahana hatramin’ny androany. Ary ianao? Efa nanao eny tanteraka an’i Jesosy ve?
Ny fanaovana eny amin’i Jesosy dia midika fanaovana TSIA amin’ny zavatra maro, tahaka ny ambaran’ny Baiboly: “Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin’ny vavanareo. Aza mifandainga hianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ny asany; ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana tsara araka ny endrik’Izay nahazy azy.” (Kolosiana 3.8-10)
Ary fandresena lehibe ny fanaovana tsia an’ireny zavatra ireny ka anaovana ENY an’i Jesosy Isan’andro, manaova tsia ny fialonana, ny fifosafosana, ny ota! Manaova eny ny fitiavana, ny fahamarinana, an’i Kristy! Eny ho an’ny fiainanao, Tompo ô!
Ry namako, olom-baovao ianao. Mba ho ENY tanteraka anie no ataonao eo anatrehan’i Jesosy. Mba ho ENY anie ny ENY ary ho TSIA anie ny TSIA.
Te hivavaka hiaraka amiko ve ianao? “Tompo ô, fantatrao ny hetahetako te hampifaly anao. Ampio aho hanambara feno ny ENY aminao sy hanao TSIA ny ota mba handehanako sy hihavaozan’ny fiainako. Amen”

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!