Fahagagana

Ny Baiboly dia feno fahagagana izay maneho fa velona Andriamanitra. Izy ilay Andriamanitra manao ny tsy misy ho misy!Ampiasainy ny zavatra rehetra ahasoa. Maniry ny hitahy anao Izy! Ny "Fahagagana Isan'Andro" dia manampy hampitombo ny finoanao sy ny fiainanao ny fanatrehan'Andriamanitra ary ny Heriny!

Ry namako, ny faniriako lehibe indrindra dia ny hahita anao ho voatahy.

Na inona na inona zavatra ilainao, atambatro amin’ny finoanao ny finoako mba hitahy anao anie Andriamanitra,

Ry namako, aza matahotra !

Reseo ny tahotra amin’ny alalan’ny Finoana, fenoy tenin’Andriamanitra ao anatin’ny fonao ary ambarao am-pahatokiana fa tsy matahotra ianao.

Ry namako, hetseho ny finoanao !

Tsy ho azonao an-tsaina izay zavatra mety hitranga! Rehefa vonona hanetsika ny finoantsika isika dia mitranga ny fahagagana.

Ry namako, hanitatra ny fetranao Andriamanitra !

Mino amin’ny foko rehetra aho fa tian’Andriamanitra hiaina fiainana sambatra sy mahafapo ianao, izay mihoatra lavitra io fetranao io.

Ry namako, tsy misy tsy hain’Andriamanitra atao!

Afaka miantso an’Andriamanitra ianao satria tsy misy tsy hainy atao ary mamaly an’ireo izay miantso Azy Izy.

Ry namako, aza matahotra fa momba anao Aho.

Aza matahotra satria Andriamanitra dia momba anao, ary miaraka aminao.

Ry namako, hanao zava-baovao Andriamanitra.

hanao lalana any an’efitra Andriamanitra ary hanisy ony any amin’ny tany lao.

Ry namako, mandrosoa foana…

Ry Namako, hitondra anao any amin’ny tanjona Izy.

Ry namako, afaka miteny amin’io tendrombohitra io ianao.

Mitenena amin’io tendrombohitra io, teneno izy hikisaka any an-dranomasina