Fahagagana

Ny Baiboly dia feno fahagagana izay maneho fa velona Andriamanitra. Izy ilay Andriamanitra manao ny tsy misy ho misy!Ampiasainy ny zavatra rehetra ahasoa. Maniry ny hitahy anao Izy! Ny "Fahagagana Isan'Andro" dia manampy hampitombo ny finoanao sy ny fiainanao ny fanatrehan'Andriamanitra ary ny Heriny!

Indro “Fahagagana isan’andro” ho anao

Maniry koa aho mba ho hitanao ireo fikasana tsara sy miavaka izay nomanin’Andriamanitra ho amin’ny fiainanao manokana.

Ry namako, mandrosoa hatrany !

Mandrosoa foana. Mino aho fa raha mandroso foana ianao dia tsy ho ela dia tafavoaka ao anatin’io lohasaha io.

Aza miraviravy tànana ry namako.

Mahereza. Aza mamotsitra. Ny fahavalo no tokony mamotsitra. Manoatra noho ny mpandresy ianao amin’ny alalan’ilay tia anao.

Aza mijanona ao anaty fijaliana ry namako.

Te hanasitrana ny fonao maratra Izy, hampionona anao, mba tsy hijanonanao ao anaty fijaliana. Izany no fahagagana izay angatahako ho anao.

Ry namako, hamaly soa anao Andriamanitra !

Satria mino an’Andriamanitra aho ary mino izay lazainy koa, dia miantehitra amin’ny Teniny aho ary ambarako fa hamaly soa anao Izy ry namako. Ary vaovao tsara, ny harenany dia mihoatra lavitra noho ny antsika !

Ry namako, tsy mbola vita ny aminao !

Tsy maintsy ho vita ny “fanamboarana” indray andro any. Ho alain’i Jesosy miaraka Aminy ianao. Mandrapiandry an’izay dia efa nanomboka asa tsara eo amin’ny fiainanao Izy, ary resy lahatra aho fa mbola fanombohana izao !

Ry namako, feno fampanantenana ny ho avy nomaniny ho anao.

mifandraisa ianao Aminy amin’ny alalan’ny vavaka sy ny Baiboly, aza manohitra intsony fa maneke Azy fotsiny.

Ry namako, iza no hahatohitra anao ?

Hiasa manokana ho anao Andriamanitra amin’io zavatra hatrehanao io. Tsy misy tsy hainy atao. Koa mahereza foana dia mitonia…

Ry namako, hitsangana Andriamanitra hiaro anao.

Ilay fo tia mankasitraka amin’ny fotoana rehetra dia hahakasika an’Andriamanitra, matokia Azy, fa hitsangana Izy mba ho anao.