Fahagagana

Ny Baiboly dia feno fahagagana izay maneho fa velona Andriamanitra. Izy ilay Andriamanitra manao ny tsy misy ho misy!Ampiasainy ny zavatra rehetra ahasoa. Maniry ny hitahy anao Izy! Ny "Fahagagana Isan'Andro" dia manampy hampitombo ny finoanao sy ny fiainanao ny fanatrehan'Andriamanitra ary ny Heriny!

🏠 Andriamanitra dia mitoetra ambonin’ny fiderana

Ry namako, ny fideranao marina no mitondra ny Lanitra ho ety an-tany! Anio, amin’ny alalan’ny fiderana, midira ao an-tranon’ny Rainao any an-danitra.

📜 Mitady anao Andriamanitra

Ry namako, mitady anao Andriamanitra anio! Tiany ny mandre ny antson’ny fonao izay asandratrao Aminy mandritra ny fotoam-piderana, ary amin’izay fotoana izay dia tiany ny hikasika ny fiainanao amin’ny fitiavany sy ny heriny.

🎧 Tsy mozika fotsiny …..

Ry namako, noforonina hidera an’Andriamanitra ianao, hidera ny Anarany!

⛲️Mamelà ny Fanahinao ho ambinina …

Eny ry namako, misintona fanambinana ny fahalalahanao tanana. Ary tsy mahakasika ny fanambinana ara-bola ihany izany, fa eo amin’ny lafi-piainanao rehetra, sy mandra-pahafa-po anao.

🎁 Ny fitahian’ny manome sy mandray!

Ry namako, ny fahalalahan-tanana dia manokatra ny varavaran’ny lanitra ho an’ny fiainanao!

🌱 Efa akaiky ny fotoam-pijinjana!

Rehefa mamafy amim-pitiavana isika, dia sarobidy ny vokatra azo. Avy amin’ny traikefa hitako no ilazako izany aminao.

⛪️ Sokafy ny varavaran’ny fitahiana!

Ry namako, rehefa manome amim-pahalalahan-tanana ianao, dia misokatra eo amin’ny fiainanao ny varavaran’ny fitahiana. Jereo ny ohatry ny valim-pitianao:

🧼 Jesosy nanasa ny tongotrao!

Ry namako, mizara maneho fahatsara-panahy amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainanao!

🔆🔆 Sarobidy amin’Andriamanitra ny farantsa roa kelinao.

Anio, aza manaisotra ny tenanao tsy hahatsapa ny fifaliana entin’ny fanasoavana ny hafa…