Fahagagana

Ny Baiboly dia feno fahagagana izay maneho fa velona Andriamanitra. Izy ilay Andriamanitra manao ny tsy misy ho misy!Ampiasainy ny zavatra rehetra ahasoa. Maniry ny hitahy anao Izy! Ny "Fahagagana Isan'Andro" dia manampy hampitombo ny finoanao sy ny fiainanao ny fanatrehan'Andriamanitra ary ny Heriny!

😏 Matahotra ? Izaho ? Tsia ka ?

Eny, ry namako, ny finoana no mahatonga anao hanana herim-po ! Rehefa manana finoana ianao, afaka mandray fanapahan-kevitra ary manatontosa zavatra izay tsy sahinao natao amin’ny toe-javatra iray.

🌵 Tsapanao ve ny tsilo ?

Ry namako, aza avela hanempotra anao ny tsilom-piainana!

💪🏻 Manana hery be dia be ianao !

Ry namako, Andriamanitra dia mahita zavatra betsaka kokoa ao anatinao noho izay azonao sainina.

🥬 Laninao ve ny legiomanao ?

Tian’Andriamanitra ny hiainanao ny fitahiana ao anatin’ny fiasana mafy sy amin-kerim-po isan’andro.

👣 Efa niditra ny tany nampanantenaina ve ianao ?

Ry namako, ny herim-po dia mamela anao hiditra ao amin’ny tanin’ny fampanantenana izay efa nomanin’Andriamanitra ho an’ny fiainanao.

✋🏻Avelao Andriamanitra hametraka ny Tanany eo aminao !

Ry namako, alefao ny mozika! Ankafizo ny fotoana rehetra rehefa miasa, rehefa miala sasatra na mandeha amin’ny fitateram-bahoaka, mba hahafahanao manantanteraka ny fiderana ao ambadika.

🙌🏻 Manana antony tsara hiankohofana Aminy ianao !

Ry namako, rehefa miaiky ny fahatsaran’Andriamanitra ianao, dia feno ny Voninahiny ny fiainanao !

❤️ Miresaka aminao mandritry ny fideranao Andriamanitra !

Ry namako, avelao ny fiderana hanokatra ny sainao amin’izay tian’Andriamanitra hambara aminao!

🛡 Ravao ny paikadin’ilay ratsy!

Ny iray amin’ireo zavatra tsy zakan’ny fahavalo dia ny fahamarinan’ny fiderantsika an’Andriamanitra.
Matetika ao amin’ny Baiboly no ahitantsika ny fomba nahitan’ny vahoakan’Israely fahagagana mahatalanjona rehefa nidera an’Andriamanitra teo afovoan’ny ady izy ireo.
Tamin’ny andron’i Josafata Mpanjaka, dia toy izany no nitranga rehefa nisy vahoaka lehibe telo nivondrona hiady tamin’i Jerosalema.
Tamin’ny fomba fijerin’olombelona, ​​dia fantatry ny Isiraelita fa resy hatrany am-boalohany izy ireo. Tsy nanana fahafahana hanohitra tafika lehibe toy izany izy ireo, ary fantany tsara izany. Fantatr’izy ireo koa anefa fa lehibe noho ny tafika na ny toe-javatra nisy azy Andriamanitra. Noho izany antony izany dia nanapa-kevitra ny hitady an’Andriamanitra amin’ny fony rehetra sy hatoky Azy izy ireo.
Nony tonga ny andro hanafiana, dia namporisika ny vahoaka hitoky amin’ny teny fikasan’Andriamanitra ny mpanjaka, ary nasainy nandroso teo anoloan’ny tafika nidera an’Andriamanitra tamin’ny heriny rehetra ireo andihany mpidera.
Hoy ny Baiboly: “Ary raha vao nanomboka nihoby sy nidera ireo, dia nasian’i Jehovah otrika hamely ny taranak’i Amona sy Moaba sy ny avy any an-tendrombohitra Seïra, izay avy hamely ny Joda, ka dia resy ireo.” ( 2 Tantara 20:22 ).
Waouh! Niteraka fisavoritahana teo amin’ireo tafika vahiny ny fiderana ka izy ireo indray no nifamono. Izany no nahatonga ny iray tamin’ireo fandresena lehibe indrindra teo amin’ny tantaran’ny Isiraelita, ka tsy nila nirotsaka niady teo amin’ny toeram-piadina akory izy ireo.
Ry namako, ny fiderana dia mandrava ny fikasan’ilay ratsy hamotehana ny fiainanao!
Tsy misy zavatra manakorotana ny fahavalo mihoatra noho ny fahamarinan’ ny fiderantsika an’Andriamanitra, indrindra rehefa mandalo toe-javatra sarotra isika.
Anio, raha sendra eo anivon’ny ady ianao, dia miderà an’Andriamanitra amin’ny herinao rehetra, ary misaora Azy amin’izay rehetra hataony eo amin’ny fiainanao!
Avelao ny Tompo hiady ho anao anio.