Fahagagana

Ny Baiboly dia feno fahagagana izay maneho fa velona Andriamanitra. Izy ilay Andriamanitra manao ny tsy misy ho misy!Ampiasainy ny zavatra rehetra ahasoa. Maniry ny hitahy anao Izy! Ny "Fahagagana Isan'Andro" dia manampy hampitombo ny finoanao sy ny fiainanao ny fanatrehan'Andriamanitra ary ny Heriny!

🥂 Fanasana manokana ho anao !

Ry namako, fanasana no miandry anao isan’andro, na dia eo anivon’ny toe-javatra sarotra indrindra izay mety lalovanao aza.

😋 Mianara afa-po !

Ry namako, araraoty ny fotoana rehetra hifalianao amin’Andriamanitra.

⚖️ Fitsitsiana sa fahampiana ?

Ry namako, aza afamadika ny anton-javatra ! Izay avy amin’ny fanahy aloha izay vao ny materialy.

🙌🏻 Misy tombony lehibe miandry anao !

Eny, ry namako, tombony lehibe ho an’ny fiainanao no asehon’Andriamanitra anao rehefa manompo Azy amin’ny fifaliana sy ny fahatsoram-ponao ianao.

🙂 Afa-po amin’ny zavatra iainanao ve ianao ?

Eny, ry namako, ny fahafaham-po lazain’ny Baiboly dia manampy anao mba hankafy ny fotoana iainanao ! Vokatra lafatry ny fitambaran’ny fankasitrahana sy ny finoana izay ahafahanao miaina ao anatin’ny rindram-piainana tena tsara.

❗Safidio ny hiteny azy ireo !

Rehefa misafidy ny tsy hifampibitsika sy hiteny amim-pitiavana isika, dia eo no mahita vahaolana, fitahiana, fifandraisana mafy orina, ary ny fanjakan’ny lanitra dieny ety.

🤍 Aza avela hisy hanakana anao !

Ry namako, aza avela hanakana anao ny tahotry ny fifosana. Nohariana ianao mba hamiratra amin’ny Fahazavan’Andriamanitra, noho izany mamiràta, ary hasoavy ireo rehetra azonao hasoavina !

💬 Omeo lanjany izy ireny!

Ry namako, manana lanja lehibe ny teninao. Noho izany, omeo lanjany izy ireny! Enga anie ny teny rehetra izay aloaky ny vavanao mba ho feno fahazavana sy fitahiana, hampahery ny hafa , fa tsy hanakiana na hanimba sanatria.

💬 Mitondra fitahiana ny molotrao

Ho loharanon’aina anie ny lelanao! Mivavaka aho mba hesorina amin’ny vavanao ny ozona rehetra, ary ny teny fitahiana sy fiainana ihany no hiboiboika avy amin’ny molotrao ho an’ny hafa.