Fahagagana

Ny Baiboly dia feno fahagagana izay maneho fa velona Andriamanitra. Izy ilay Andriamanitra manao ny tsy misy ho misy!Ampiasainy ny zavatra rehetra ahasoa. Maniry ny hitahy anao Izy! Ny "Fahagagana Isan'Andro" dia manampy hampitombo ny finoanao sy ny fiainanao ny fanatrehan'Andriamanitra ary ny Heriny!

✉️ Ento ho eo amin’ Andriamanitra ny taratasinao

Ry namako, anio, raiso ireo fandrahonana rehetra, ny tahotra, ny fanesoana ataon’ilay ratsy eo amin’ny fiainanao, ary ento izao ankehitriny izao, ho eo amin’ny Fanatrehan’Andriamanitra.

🤔 Matahotra ve ianao?

Ry namako, ho toy ny ahoana ny fiainanao raha tsy misy tahotra mahasakana anao tsy hahatratra ny tanjona sy ny nofinofy izay narotsak’Andriamanitra tao am-ponao? Ho be voninahitra ny fiainanao !

🚫 Tsy mandroso ve ny fiainanao ?

Ry namako, aza manao fahadisoana toy izany koa ! Anio dia te hameno anao ny Fiainany Andriamanitra amin’ny alalan’ny riakan’ny rano velony, izay manavao sy mamelombelona anao isa-maraina.

🏝 Diboky ny Loharanon’Andriamanitra ianao !

Mikasika sy mitahy ireo lafiny rehetra ireo Andriamanitra, amin’ny onin’ny Fitahiany.

🌊 Miboiboika mahery ny Loharanony !

Fahazavana ho an’izao tontolo izao ianao, loharanom-pitahiana!

⛲️ Fitahiana mitobaka … !

Tian’Andriamanitra hitobaka avy ao anatiny sy ety ivelany ianao !

🥖Mivokisa amin’ny mofon’ny lanitra !

Sokafy ny Baibolinao ao amin’ny Filazantsara, na ny Salamo, na amin’izay tianao. Dia avelao Andriamanitra hameno ny fanahinao amin’ny tenin’Andriamanitra sarobidy !

🥰 Mino an’i Jesosy ve ianao ?

Henonao ve ny fifaliana izay manomboka mitobaka ao am-ponao ? Manomboka misokatra ny fantsona izay !

💦 Rano velona !

Akipio ny masonao ary alaivo sary an-tsaina fa ao amin’ny zaridainan’ny Fanatrehan’Andriamanitra ianao.