Ny Baiboly dia feno fahagagana izay maneho fa velona Andriamanitra. Izy ilay Andriamanitra manao ny tsy misy ho misy!Ampiasainy ny zavatra rehetra ahasoa. Maniry ny hitahy anao Izy! Ny "Fahagagana Isan'Andro" dia manampy hampitombo ny finoanao sy ny fiainanao ny fanatrehan'Andriamanitra ary ny Heriny!
👊🏻 Raiso ny fandresena amin’ny olana “kely” hatrehinao !
Ry namako, androany no andro ahafahanao mahazo fandresena lehibe amin’ny sehatra “kely” eo amin’ny fiainanao.
😎 Aza manaiky ho resin’ny ratsy…
Ao amin’ireo fanapahan-kevitra tsirairay raisintsika ry namako dia misafidiana handresy ny ratsy amin’ny tsara. Efa natolotr’i Jesosy anao ny Fandreseny!
💥 Tsy izay lazain’ny hafa na eritreretiny momba anao ianao!
Mitsangàna am-pinoana anio ry namako ary ihoaro ireny lainga ireny!
🌏 Efa resy izao tontolo izao!
Misy lafim-piainanao mbola tsapanao ve fa mbola fehezin’ny fahavalo? Manasa anao aho hivavaka izao ary am-pinoana, rombao ny fandresen’i Jesosy Kristy ho anao.
🙌🏻 Manoatra noho ny mpandresy ianao !
Ao amin’i Jesosy dia azo antoka sy tsy misy tahaka azy ny fandresenao ry namako.
🎁 Misy fanomezana ho anao…
Mahereza ao amin’ny Tompo ry namako, ao amin’ny Heriny sy ny Tanjany.
🔥 Tsy azo sakanana ianao!
Eny ry namako, tsy azo sakanana ianao ao amin’i Jesosy. Mitsangàna amin-kery anio ary na eo aza ny sedra sy ny sakana amin’ny lalanao dia aza mijanona.
😵💫Manana fahalemena ve ianao ?
Ry namako, tsy omen’Andriamanitra amin’ny ampahany ny heriny fa atolony anao manontolo!
🏰 Ravao daholo izy rehetra!
Ry namako, anio no fotoana handravana ireo fiarovana mafin’ny haizina. Ankehitriny, mitomboa hery ao amin’ny Tompo, ary noho ny amin’ireo Teniny fahamarinana, ravao avokoa izay lainga rehetra manandevo anao.