Oay, tena tsy nahatratra an’iny ianao ! 🙉
Efa tojo zava-nitranga toy ny diso fotoan-dehibe teo amin’ny fiainanao ve ianao ? Indrisy, izaho efa sendra toe-javatra vitsivitsy tahaka izany.
Taona vitsy lasa izay, nikarakara faran’ny erinandro tany aminà trano tany ambanivohitra iray ireo tanora tao am-piangonanay. Nanoratra anarana ary nanomboka nanao fandaharam-potoana tamin’izany ny namako rehetra. Izaho manokana, tsy afaka nieritreritra ny hamonjy izany akory. Be ny asa tsy maintsy novitaina ho an’ny oniversite no sady nanana andraikitra hafa ihany koa. Tamin’ny farany moa dia tapa-kevitra ny tsy handeha mihitsy aho, satria ny tena marina 🙈, noheveriko hoe faran’ny erinandro tsotra ihany izany ka tsy ho diso zavatra manokana akory aho. Fahadisoana tanteraka ! 🙉 Eny tokoa, tena faran’ny erinandro niavaka sy tsara indrindra teo amin’ny tantaran’ny vondron’ny tanora ! Niaina fotoana niavaka ny olona rehetra, ary nandritry ny taona maro taty aoriana, dia mbola tsy sasatra nitantara ahy ny zava-niainany tany izy ireo. Tsy nino aho hoe dia tsy mba nanatrika izany !
Indraindray, ny zavatra andrasantsika dia tsy mitovy velively amin’ny zava-misy tokoa, ary mihatra amin’ny vavaka ihany koa izany. Heverintsika ho toy ny fahazarana ihany ny fotoam-bavaka, zavatra an-davan’andro, ka tsy eritreretintsika hoe fotoana miavaka. Eny, tian’Andriamanitra ny fotoam-bavakao mba hiavaka !
Ny Tompo dia nilaza tamin’ny mpaminany Daniela : “Ry Daniela malala ô, fantaro ny teny izay lazaiko aminao” (Daniela 10:11). Izany ihany koa no lazainy aminao androany : “[Fanampin’anaranao], malala ô, fantaro ny teny izay lazaiko aminao”.
Ry namako, te hiteny aminao Andriamanitra. Rehefa miresaka amin’Andriamanitra ianao, Andriamanitra koa miresaka aminao ! Ny tena marina, miteny amintsika mihoatra izay eritreretintsika Izy. Andao hiaraka hivavaka : “Tompo ô, mangataka Aminao aho androany, sokafy ny sofim-panahiko mba hahafahako mihaino ny feonao. Amin’ny anaran’i Jesosy. Amena!”
Androany, mihomàna handre Azy ry namako ! Ato am-poko ianao.