Ny Paska dia Jesosy sy ianao ! đź’ž

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ny Paska dia Jesosy sy ianao ! đź’ž

Ahoana no fandraisanao ny Paska…? Ahoana no hiainanao ny Paska isan-taona …? Raha ny amiko, ny dadabe sy bebeako dia nahay nankalaza ny Paska tsy tahaka ny rehetra. Nampitainy tamiko izany tamin’ny fampatsiahivina ahy foana hoe : “Ry zanako malalako. Tsy ny atody no tena zava-dehibe amin’ny Paska, fa Jesosy sy ianao….! Manana ny tombambidiny ianao.” Tsy ho adinoko mandrakizay ireo fampaherezana sy ny fahamarinana, izay nampianarin’izy ireo ahy tamin’ny fitiavana.
Ny Paska dia Jesosy sy ianao…! Mampiseho loatra ny fahamarinan’ny fitiavana sy ny herin’i Kristy eo amin’ny fiainantsika izany fety izany. Ry namako, ny Paska dia Jesosy mampatsiahy anao :

  • Ny tombambidinao eo anatrehany,
  • Ny fanomezany anao ny famonjena tamin’ny alalan’ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana,
  • Ny fahafahanao miditra ao amin’ny fiainana mandrakizay tamin’ny alalan’ny fitsanganany tamin’ny maty,
  • Ny maha ianao anao dia ao amin’i Kristy.

Androany izany ary ho amin’ny mandrakizay ihany koa. Nahoana ary no mankalaza ny Paska amin-tsy ampiheverana isika….? Nahoana no tsy manaiky ny hino ny herin’ny fitsanganana amin’ny maty isika… no sady mieritreritra fa Jesosy dia niaina fotsiny teto an-tany…. tsy nanana fanantenana ny fiainana ao aorian’ny fahafatesana…? I Paoly dia nilaza eto hoe : “ Raha amin’izao fiainana izao ihany no anantenantsika an’i Kristy, dia mahantra indrindra noho ny olona rehetra isika.” (Vakio 1 Korintiana 15.19.)
Izay hiainanao ao amin’ny Jesosy dia tena izy sady mifototra amin’ny fahamarinana. Raiso sary an-tsaina fotsiny hoe tsy nitsangana tamin’ny maty Kristy no sady tsy nitondra ny fiainana mandrakizay : tena zava-doza izany. Amin’ny fotoana isika manamaivana ny andro Paska, sy tsy manome tombambidy an’izany, na mihevitra izany ho tahaka ny tsy tena marina, dia lasa mihalefy “ny herin’ny fiainana” ao anantintsika.
Ity fetin’ny Paska ity dia miaina miaraka amin’i Kristy :

  • Andriamanitra mihitsy no nanome ny tenany,
  • Maniry ny Fanahy Masina mba tsy hisy na iray aza tsy hiaina miaraka Aminy,
  • Mila anao loatra Jesosy ary izany no antony nahatongavany haka anao,
  • Ianao sy izaho dia samy ao anivon’ny fony.


Hiaraka hivavaka isika raha sitrakao : “Jesosy o…! Feno fankasitrahana anao ny foko ny amin’ny fiainanao. Nofisinao aho, nalainao sary an-tsaina, noharinao. Ary efa nanomana ny zavatra rehetra ianao ny amin’ny fahatongavako : ny tontoloko sy ny vahaolana rehetra izay mitondra ahy ho amin’ny fandresenao…! Misaotra ny amin’ny fahafatesanao sy ny fitsangananao tamin’ny maty. Miavaka ny fankalazako ny Paska amin’ity taona ity….! Amen”

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!