Nameno solika ve ianao ? ⛽️
Efa nandalo fotoana nahakivy ve ianao teo amin’ny fiainana maha kristianina ?
Misy fotoana tena ohatr’ireny hoe manohitra antsika ny zavatra rehetra. Amin’ireny fotoana ireny dia miezaka miady amintsika ny fahakiviana, ary amin’iny fotoana iny no tsapantsika mihozongozona ny finoantsika. Efa tojo izany ianao ?
Araka izay itantsika andro vitsy lasa izay, ny Baiboly dia milaza momban’i Abrahama hoe : “Ary satria tsy mba nalemy finoana izy, dia nihevitra ny tenany izay efa hoatra ny maty (fa efa tokony ho zato taona izy) sy ny fahafatesan’ny kibon’i Saraha, ary tsy niahanahana ny amin’ny teny fikasan’Andriamanitra tamin’ny tsi-finoana izy, fa nampaherezin’ny finoana ka nanome voninahitra an’Andriamanitra ary natoky indrindra fa izay nolazainy dia hainy hatao koa” (Romana 4:19-22).
Andeha ho dinihina izay lazain’io io andalan-teny momban’i Abrahama io :
- Tsy nihena ny finoana nanoloana ny zava-nisy marina nanodidina azy.
- Tsy namela ny fisalasalana niditra tao am-pony izy, na dia nifanohitra tamin’izany azy ny zava-drehetra
Mifanohitra amin’izany aza, nanamafy ny finoany izy.
- Nanome voninahitra an’Andriamanitra izy, nisaotra Azy nialoha.
- Resy lahatra tanteraka ny amin’ny herin’Andriamanitra hanatanteraka ny teny fampanantenany izy.
Eo afovoan’ny ady, Abrahama dia nanapa-kevitra ny hihamafy amin’ny finoana. Ary tsy in-dray ihany izy no nanao izany. Eny tokoa, isan’andro, amin’ny toe-javatra tsirairay, nisafidy ny hino amin’ny fotoana rehetra ny teny fampanantenan’Andriamanitra izy toy izay hino ny zava-misy hita maso.
Anio, ry namako, mitsangàna, mahereza amin’ny finoana ianao ary mametraha hatrany ny tokinao amin’izay ho ataony amin’ny fiainanao ! Ny finoana no manavao ny hery hahafahanao mandroso hatrany. Toy ny soliky ny lanitra =)
Ato am-poko sy ato anatin’ny tonom-bavako ianao.