Namboarina tany an-danitra ianao…
Matetika amin’ny akanjo dia misy marika milaza ny toerana nanamboarana azy, ohatra “Made in China” (vita tany Sina). Midika fa namboarina tany Sina ilay akanjo.
Ry Namako, ny marika tokana tokony ekenao dia ny hoe : “Made in Heaven”. Izany hoe “Namboarina tany an-danitra”.
Olom-baovao ianao. Tsy eo ambany fanamelohana intsony. Tsy misy fanamelohana ho an’izay ao amin’ny Kristy Jesosy. Efa nofafàn’ny rany ny otanao rehetra.
- Ary na dia nanota aza ianao, nanome alahelo ny Fanahy Masina satria latsaka tao anaty fakam-panahy, fantaro fa manana mpisolovava ianao any an-danitra, miady ho anao : Jesosy Kristy. (1Jaona 2.1)
- Manana Ray koa ianao any an-danitra. Ilay Rainao izay any an-danitra. Tena tia anao. Zanaky ny Rainao izay any an-danitra ianao.
- Misy toerana ho anao koa any an-danitra. Hoy Jesosy… Hamboatra toerana ho anareo Aho mba ho any amin’izay misy Ahy, no hitoeranareo koa.
- Any an-danitra misy fahagagana sy fitahiana ary fahasoavana efa vonona hidina ho anao. Ny Baiboly milaza fa ny fanomezan-tsoa rehetra sy ny fanomezana tanteraka rehetra dia avy any ambony ka midina avy amin’ny Rain’ny fanazavana, Izay tsy misy fiovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana. (Jakoba 1.17)
Mivavaka aho mba ho raisinao androany izany. Hisy fahagagan’Andriamanitra avy any ambony ho eo amin’ny fiainanao.
Raiso ho Tompo sy Mpamonjy anao manokana Jesosy mba hahazoanao ny fitahiany. Te hanana fifandraisana manokana aminao Izy, tiany hosokafanao ny fonao mba hitoerany, ka hitarika sy hanolotsaina anao ny Fanahiny Masina isan’andro.