Mitokàna ianao.

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Mitokàna ianao.

Miharatsy hatrany izao tontolo izao, vaovao mampatahotra no re isan’andro. Fanampin’izany, dia toa manalavitra ny olona hatrany ny feon’Andriamanitra. Na tsy te hiaino tsotra izao intsony ny olombelona. Ahoana sy aiza no hahafahako maheno Azy isan’andro? Te-handalina io lohahevitra io miaraka aminao aho mba handraisanao fanapahan-kevitra mety hanova ny fiainanao ry namako….

Tsy mila diplaoma manokana amin’ny teolojia ianao vao afaka hahatakatra fa hisy ary hisy foana ny fisehoan-javatra tsy ampoizina rehefa manapa-kevitra ny hiara-mandeha amin’Andriamanitra isika. Sa tsy izany, ry namako ?

Hoy ny Baiboly: “Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin’ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao, Izay ao amin’ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina no hamaly anao.” (Matio 6:6)

Midika izany fa mila miala eo amin’ny toerana misy anao ianao, mankany amin’ny toerana iray mangina ,lavitry ny tabataba sy ny fanelingelenana. Manarak’izany dia mampiomana ny sainao ianao hoe: “indro, tonga ny fotoana – manokatra ny tenako handray izay tian’Andriamanitra holazaina aho”. 

“Mitokàna”.  Azo lazaina ihany koa hoe: “Tsy misy afa-tsy izay tianao holazaina amiko no afaka miditra amin’ity toerana ity. Manakatona ny varavarana amin’ny fanelingelenana rehetra aho, ao anatin’izany ny WhatsApp, ny facebook, sy  ny maro hafa… “Eo” tanteraka ny fifantohako.

“Mivavaha amin’ny Rainareo, Izay ao amin’ity toerana mangina ity.”

Rehefa mahatsiaro ho very hevitra sy irery ianao, dia hahita an’Andriamanitra “ao amin’ny miafina” ( amin’ilay fotoana hahatsapanao hoe “tsy misy mijery anao“), amin’ny fomba tsy takatry ny saina !

Ary ny tsara indrindra anatin’izany dia :

Mahita izay ataonao ao amin’ny mangingina ny Rainao, ka hamaly soa anao Izy”.

Tsy vitan’ny hoe mahita anao amin’ny mangingina Izy, fa “mamaly soa” anao koa. Hanome valisoa anao Izy noho ny fahafoizanao fotoana maro mba hanokananao fotoana ho Azy.

Eny, ry namako: “Hamaly soa anao izy”.

Goavana izany fanomezana omen’Andriamanitra antsika izany ! Aza adinoina fa te handre ny momba antsika koa Izy ary manome antsika ny fotoanany! Ao ambadiky ny varavarana mihidy dia hanokatra ny fonao Andriamanitra!

Inona no andrasanao ? Misintaha, hidio ny varavarana… mivavaha… ary raiso ny valisoanao !

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!