Mitahiry zava-tsarobidy ho anao Andriamanitra !
Manantena aho fa nanampy anao tamin’ny fomba manokana ny hafatro omaly mba hibata fandresena marina manoloana izay manavesatra anao sy manoloana ireo fakam-panahy izay manakatsakana ny fiarahanao amin’i Jesosy.
Hitantsika fa te hanatanteraka fahombiazana eo amin’ny fiainanao Andriamanitra, toy ny nataony tamin’ireo mahery fon’ny finoana … Hitantsika ihany koa fa ny zavatra tokony hatao voalohany amin’izany dia ny manala amin’ny fiainantsika ireo vesatra sy ireo ota izay manorotoro antsika.
Ny andinin-tsoratra masina dia manohy hoe : « … ary aoka isika hihazakazaka amin’ny faharetana amin’izao fihazakazahana filokana napetraka eo anoloantsika izao, » (Hebreo 12 : 1)
Alaivo sary an-tsaina hoe toy ny ahoana isika raha manao “marathon” miaraka amina palitao feno vato ? Tsy ho zaka izany ! Aorian’ny metatra vitsivitsy monja isika dia ho lanaky ny lanja sy ny hafanana manempotra.
Izany no antony mahatonga ny mpihazakazaka matihanina manao akanjo fohy sy maivana. Izany ihany koa no mahatonga ahy sy ianao mila manala ireo vesatra sy ota noresahantsika omaly ireo : mba hahafahantsika mihazakazaka marina mankany amin’i Jesosy.
Raha ny marina, tena tiako ny ampahany amin’ilay andinin-tsoratra masina izay manasa antsika hihazakazaka. Tian’Andriamanitra ny hanafaingana ny zavatra eo amin’ny fiainanao, ary maniry mafy anao mba Izy ho afaka hihazakazaka amin’ny fifandraisana Aminy! Izy no Andriamanitra izay manome hery anao,tsy hoe mba hahafahanao mandady amin’ny tany, toy ny ho faty, fa mba hahafahanao mihazakazaka mavitrika, isan’andro.
Eny, zava-dehibe eto ny faharetana. Maka ny fotoanany Andriamanitra hiasana eo amin’ny fiainantsika satria ny zavatra sasany dia tsy afaka ampianarina afa-tsy amin’ny alalan’ny traikefa, miaraka amin’ny fotoana.
Afaka mahita fiarahana mahafinaritra ao anatin’izany isika dia ny fiarahan’ny fihazakazahana sy ny faharetana. Ny fandrosoana miaraka amin’Andriamanitra sy ny fiatrehana ny adin’ny ankehitriny. Ny fitadiavana mihoatra Azy sy fiandrasana amim-paharetana ny fanohizany ny Asany eo amin’ny fiainantsika.
Ry namako, mihazakazaha ary ataovy amim-paharetana izany. Andriamanitra dia eo anilanao amin’ny kihon-dalana rehetra ary nanomana asa sarobidy Izy, natokana ho anao.