Misafidiana hanana toetra tia mankasitraka.
Imbetsaka ny Baiboly no manainga antsika hampitombo ny fifandraisantsika amin’ny Tompo Jesosy. Satria, ny fiainana kristianina tsy ny fanekena Azy ho Tompo sy Mpamonjy fotsiny fa koa MIAINA miaraka Aminy. Miorim-paka anatin’ny Teniny, miorina amin’ny fahamarinana. Ary manasa antsika hankasitraka ihany koa Andriamanitra.
“Koa tahaka ny nandraisanareo an’i Kristy Jesosy ho Tompo, dia mandehana ao aminy araka izany koa, ka mamaka tsara sy miorina mafy ao aminy ary tafatoetra amin’ny finoana, toy ny efa nampianarana anareo, ka mazoto [mitombo amin’zany] amin’ny fisaorana.” (Vakio Kolosianina 2.6-7)
Ny fifaliantsiaka ny amin’ny izay nisy, izay misy ary ny hisy dia mahatonga antsika hitoetra hiorina ao amin’ny fahatokian’Andriamanitra. Manokatra ny masontsika amin’ireo fitahiany, mahita an’Andriamanitra amin’ireo fotoana bitika izay eritreretintsika mandeha ho azy :
– ny tara-masoandro mitopy eo amin’ny fitaratry ny fiaran-dalamby,
– ilay dadabe etsy am-pita izay tsy mivoaka ny trano raha tsy misatroka,
– ireo ankizy izay mitarokitsika mihomehy,
– ny vadintsika izay mandeha manary fako isan-kerinandro,
– sy ny maro hafa…
Tahaka an’i Jesosy izay nisaotra an’Andriamanitra talohan’ny nampitomboana ny mofo dia tonga ny fahagagana rehefa mankasitraka isika.
Fa indrindra, ny fahazarantsika mamboly toetra tia mankasitraka dia mampanakaiky antsika amin’ny fon’Andriamanitra sy hankafy ny fitiavany ary ny fahatokiany.
Manasa anao aho anio : mandraisa kahie kely na ny findainao dia manorata zavatra folo izay tena nankasitrahanao ary hisaory Andriamanitra noho izany.