Miiba ve sa miabo ny finoanao? đź“ş
Ary ianao, ry namako, ahoana no hamaritanao ny finoanao?
Ny olombelona dia manana fahazarana te hino ny zava-dratsy mety hanjo azy foana : “Tsy ho tafavoaka amin’ity aho”, “Manahy zava-dratsy hanjo ahy aho”, “Tena harary aho.”…. Raha mieritreritra an’izany ianao dia karazana “finoana” ratsy izany, satria amin’ny fanaovana izany dia misafidy ny hametraka ny fitokianao amin’ny tranga ratsy indrindra ianao, fa tsy amin’ny zavatra nampanantenain’Andriamanitra anao. Efa niaina toy izany ve ianao ry namako?
Ny fampanantenan’Andriamanitra momba ny fiainanao dia tsara, farak’izay tsara! Ary Jesosy dia manasa anao hino ny tsirairay amin’izy ireo, anio. Hoy ny Baiboly: “Fa raha tsy amin’ny finoana, dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy; fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Andriamanitra, ary Izy no Mpamaly soa izay mitady Azy.” ( Hebreo 11:6 ).
Ry namako, na mandalo toe-javatra sarotra ianao na mizotra tsara ny zava-drehetra eo fiainanao, dia afaka manapa-kevitra ny hifikitra Aminy amin’ny fotoana rehetra ianao. Faly Andriamanitra rehefa matoky Azy sy mitady Azy amin’ny fonao rehetra ianao! Eny, efa vonona ho anao ny valisoany =)
Te hiara-mivavaka amiko ve ianao? “Tompo Ă´, misaotra Anao indrindra aho noho ny Fanatrehanao. Te hanala io toe-tsaina ratsy io aho ary hatoky Anao amin’ny foko manontolo. Eny, misafidy ny hametraka ny fitokiako amin’ny teny fikasanao momba ny fiainako aho sy hifikitra Aminao, na inona na inona hiseho ary na inona na inona sarany. Fantatro fa miady ho ahy Ianao, ary ho hitako eo amin’ny fiainako ny fandresenao. Misaotra amin’ny zavatra rehetra Tompo Ă´! Amin’ny anaran’i Jesoa, amena.”