Miandry anao izao tontolo izao 🌍

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Miandry anao izao tontolo izao 🌍

Tia mandeha mitsidika toerana hafa ve ianao? Izaho tena tia izany ! Izaho tena mankafia ny mahita toerana sy kolotsaina vaovao.
Itako hoe tena mahafinaritra izao tontolo izao ! Indrisy anefa, fa dia tena anjakan’ny haizina ny ampahiny lehibe aminy. Eny tokoa, ny fahavalo dia nanangana rafitra izay fantatsika amin’ny anarana hoe “izao tontolo izao”, ary efa nitonona ho mpanjakan’izao tontolo izao izy.
Fa manana vaovao mahafaly aho ! Jesosy no mpanjakan’ny mpanjaka sy tompon’ny tompo. Naharesy ny devoly Izy, ary manome antsika ny fandresena manoloana “izao tontolo izao”, manoloana io rafitry ny haizina io.
Izany indrindra no lazain’ny apostΓ΄ly Jaona : “Fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia maharesy izao tontolo izao; ary ny fandresena izay enti-maharesy izao tontolo izao dia ny finoantsika.” (1 Jaona 5:4).
Ry namako, izany no asan’ny finoana eo amin’ny fiainanao :

  • Ny finoana no mampandresy anao amin’ny fakam-panahy.
  • Ny finoana manampy anao handroso manoloana ny ady.
  • Ny finoana no mameno hafaliana anao rehefa te hamandrika anao ny alahelo.
  • Ny finoana no mampandre anao ny feon’Andriamanitra, na dia eo afovoan’ny feo izay manodidina antsika aza.
  • Ny finoana no mampazava anao ao anatin’ny haizina.

Eny, ny finoana dia efa nandresy izao tontolo izao ! Efa tsikaritrao ve hoe efa anananao izany ? Ary efa “naharesy” izao tontolo izao ny finoanao ? Tsy mila miady intsony akory ianao mba hahazoanao fandresena amin’ireny sehatra ireny. Ny finoanao no efa manome anao ny fandresena ! Ny any ady izay ataontsika dia ny “ady tsaran’ny finoana”, ady mba hijoroana tsara amin’ny finoana.
Ry namako, manome fandresena anao ny finoanao, mitahy ny manodidina anao ary manova izao tontolo izao.

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!