Mianara afa-po!
Anisan’ny zava-tsarobidy indrindra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny hoe afaka mitombo hatrany hatrany amin’ny lafim-piainana rehetra isika.
Miasa ao anatintsika Andriamanitra, ary afaka manatsara hatrany ny fiasantsika sy ny fitondrantenantsika isika, mba ahazoana ny fitahiany eo amin’io lafiny io!
Mitovy tanteraka amin’izany koa ny fahafaham-po. Angamba tsy matsahapa izany fahafam-po sy fankasitrahana feno asain’Andriamanitra hiainantsika izany ianao…
Ny vaovao mahafaly dia afaka mahazo izany fahafaham-po izany ianao! Ny Baiboly dia milaza fa afaka mianatra miaina izany ianao.
Toy ny nambaran’ ny Apostoly Paoly tamin’ny Filipiana: “…Fa Izaho efa nianatra hierina na manao ahoana na manao ahoana.” (Filipiana 4:11)
Eny, azo hianarana ny fahafaham-po. Ny tena marina dia fianarana tsy ara-teorika izy io fa mila fampiharana.
Isaky ny mandalo fotoan-tsarotra ianao, dia manana fahafahana vaovao hisaotra an’Andriamanitra noho ny fijoroany eo akaikinao, ary afaka mifaly amin’izay omeny anao rehetra ianao amin’izany fotoana izany.
Ry namako, araraoty ny fotoana rehetra hifaliana amin’Andriamanitra.
Mivavaka aho mba anatin’ny toe-javatra iainanao, na mora izany na sarotra, dia afaka mibanjina an’i Jesosy ianao, ary hiteny tahaka an’i Paoly Apostoly hoe: “Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin’Ilay mampahery ahy” (Filipiana 4:13)