Manara-damaody ve ianao ?
Moa ve ianao manana olona matotra iray, izay ataonao faka tahaka eo amin’ny fiainanao ?
Fony aho mbola kely, dia te ho tahaka ny raiko, toy ny ankamaroan’ny zaza. Tia Matematika hatrizay ohatra ny raiko dia tonga liana haingana tamin’izany aho hatramin’ny fahakeliko. Ary azonao an-tsaina angamba fa lasa tia Matematika ihany koa aho ! =)
Amin’ny maha-olombelona antsika, dia miezaka manahaka ireo olona izay modely ho antsika isika. Misafidy ny handray sy hampiditra izay mahaliana antsika any aminy eo amin’ny fomba fiainantsika isika, na ny fomba fitenin’izy ireo izany, na ny fihetsiny, na ny fomba fiakanjony, ohatra.
Ny ohatra faratampony ho an’ny fiainantsika dia Jesosy. Hoy ny Baiboly : « Fantatsika fa raha hiseho Izy, dia ho tahaka Azy isika, fa ho hitantsika Izy, dia izay tena endriny tokoa. Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina aminy izany dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy » (1 Jaona 3:2-3)
Ry namako, rehefa tonga any an-danitra isika, dia hahita Azy amin’ny endriny marina…Ho tsara ery izany ! Ary ny tena tsara kokoa noho izany, dia te hiseho amin’ny fonao izy, dieny ankehitriny ary bebe kokoa isan’andro. Arakaraka ny ifantohan’ny masonao Aminy no hiainanao ny Fanatrehany ao anatinao.
Eny, arakaraka ny ahitanao azy amin’ny mason’ny fonao no hanirianao hiaina ny Fahadiovany eo amin’ny fiainanao. Mivavaka aho anio mba hiaina ny herin’ny Fanatrehany ianao eo am-pibanjinana Azy sy eo am-panarahana ny Diany.
Mitondra anao ato am-poko aho.