Manana drafitra ve ianao ? đź—ş
Efa nanontany tena ve ianao hoe maninona ianao no eto an-tany ? Mino aho fa efa nandalo tao an-tsainao imbetsaka izany fanontaniana izany teo amin’ny fiainanao.
Tamin’izaho 15 taona no nihaonako tamin’i Jesosy. Tamin’io andro io dia nameno ny foko ny fitiavana sy fifalian’Andriamanitra mba hamotika ny tahotro rehetra, ny tsy fahatanterahako rehetra sy ireo olako…. Minoa ahy ianao fa tena tonga saina tsara ny amin’ny tsy fahatanterahako rehetra aho…. Fa izay niainako izay no nanokatra ny masoko ara-panahy sy ny foko, amin’ny zavatra be voninahitra izay tsy noeritreretiko mihitsy hoe misy. Voalohany indrindra teo amin’ny fiainako no nahatsapako ny fitiavan’Andriamanitra sy nanombohako nino fa ny fiainako dia misy tanjona.
Milaza ny Tompo ao amin’ny Teniny : “Fa Izaho mahalala ny hevitra iheverako anareo, hoy Jehovah, dia hevitra hahatonga fiadanana, fa tsy loza, mba hanome anareo fanantenana ny amin’ny farany.” (Jeremia 29.11) Manana drafitra miavaka ho an’ny fiainanao Andriamanitra. Nanomana ho avy mamiratra sy feno fanantenana ho anao Izy, ary tiany haseho aminao izany. Mino izany ve ianao ? Izaho mino izany ! Eny, ny drafitra tsara dia ny mino ny drafitra nataony !
Raha afaka nihaona tamin’i Jesosy aho indray andro, dia afaka ny hiaina izany koa ianao ry namako. Efa tafahoana tamin’i Jesosy Kristy ve ianao ? Raha mbola tsia, na koa alavitra Azy ianao, dia andro tena mety handraisanao fiaingana vaovao anio. Manasa anao hanao ity vavaka ity miaraka amiko : “Jesosy o, te hanana fihaonana Aminao aho. Manasa Anao aho hiditra eo amin’ny fiainako, hamindra fo amiko ary hitarika ny fiainako manomboka anio. Apetrako Aminao ny fiainako rehetra, raisiko ny Famindram-ponao sy ny Fiainanao vaovao. Ambarako fa Ianao no Tompoko sy Mpamonjy ahy. Misaotra Tompo, Amen”
Tongasoa ato an-trano ry namako.