Izao no fotoana hamelàna…!
Tamin’ity herinandro ity dia inoako fa azonao tsara fa ny hanampy anao hiala tamin’ny fanamelohan-tena no tanjoko, satria tsy izany no fanirian’Andriamanitra ho anao. Izay no mahatonga ahy anio te hiresaka aminao momba ny famelan-keloka ary hamporisika anao hihazona izany fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra izany.
Manana toky ve ianao fa voavela ny helokao ankehitriny?
Hoy ny voalazan’ny tenin Andriamanitra: “Izaho dia Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ny tenako, Ary tsy hotsarovako ny fahotanao.” (Isaia 43:25)
Amin’izao fotoana izao izany famelan-keloka izany. Andriamanitra tsy niteny hoe hamafa ny fahadisoanao indray andro any , fa hotanterahiny anio dia anio izany ry namako. Misy mihevitra fa tsy azo fantarina dieny ety an-tany raha voavela ny helontsika. Manome toky ny mifanohitra amin’izany anefa ny tenin’Andriamanitra.
Fantatr’Andriamanitra fa mila fitoniana ny fanahintsika, izany no antony hoe vao mametraka ny fatokiantsika amin’i Kristy Izay maty noho ny fahotantsika sy nitsangana isika dia manana fatokiana fa ny fahotantsika, omaly sy anio ary rahampitso dia voavela sy voafafa..
Tsy hangataka ny hamerenanao avo roa heny ny trosanao izany Andriamanitra, ry namako. Efa naloan’Andriamanitra efa ela be izany, ary azo antoka mandrakizay izany.
Raha tianao dia manasa anao aho hanandratra vavaka ho an’Andriamanitra mba andraisanao ny fanomezana avy Aminy izao : “Ray izay any an-danitra ô, diniho aho amin’ny alalan’ny Fanahy ary toroy aho raha mandeha amin’ny làlan-diso. Mangataka Aminao aho hamela ny fahotako. Misaotra noho ny ràn’i Jesosy izay manadio ahy ho afaka amin’ny fahotana rehetra. Mangataka Aminao aho hanampy ahy hiaina fiainana araka ny sitraponao. Iriko amin’ny foko manontolo ny hanana firaisana Aminao. Amin’ny anaran’i Jesosy. Amen.”
Misaotra fa misy ianao!