Inona no eritreretinao vao mifoha 🤔
Manahoana ianao ry Namako,
Mamelà ahy hanomboka ity fizarà na androany ity amin’ny firariana anao taona tsara eo ambanin’ny fiahian’i Jesosy Kristy Tompontsika. Ho heniky ny fanatrehany sy ny fitahiana anie ity andro ity.
Amin’izao andro voalohany amin’ny taona izao, inona no eriteretinao voalohany vao mifoha ? Nampitony, nampahery ve ? Sa kosa efa mieritreritra sahady :
● An’io olana tsy mety afaka aminao io,
â—Ź Ny olana ara-bola,
â—Ź Ny raharaha ho atao,
â—Ź Ireo tsena tokony vitaina,
â—Ź Ireo tambajotra sĂ´sialy,
● Ireo vesatra eo aminao amin’ity taonao ity, sns.
Ry namako, tiako raha mba mijanona vetivety… amin’ireo eritreritrao voalohany ianao. Ary raha tahaka an’i Davida Mpanjaka dia mitodika amin’Andriamanitra ianao ka manao izao fangatahana izao Aminy: “Amorony fo madio aho, Andriamanitra Ă´; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko!” (Vakio ny Salamo 51.10.)
Mamelà ahy hanome izao torohevitra tsotra manaraka izao, ry namako : fidio tsara ny eritreretinao : taomy mba hanoa an’i Jesosy Kristy izy ireny. (Vakio ny 2 Korintiana 10.5.) Aorian’izay ianao dia afaka hamboly eritreritra misy fankasitrahana sy fisaorana. Tsikelikely eny dia lasa feno ireo eritreritra feno soa ny eritreritrao ka hitodika amin’ny Tompo aloha. Mamporisika anao aho hanao izany fahazarana izany isa-maraina ry namako. Tandremo ny eritreritrao ary aza manaiky ho saron’ireo izay mety hanimba ny fifohazanao sy ny tontolo andronao.
Te-hiara-hivavaka amiko ve ianao ? “Tompo Jesosy Ă´, maniry hanana fahazarana vaovao aho amin’ny fampifantohako ny fisainako Aminao vao mifoha fa tsy amin’ireo fandaharam-potoanako na ireo olako. Diovy ny eritreritro sy ny foko, mba ho vao maraina dia afaka ny handre ny feonao aho ary hahatsapa ny fanatrehanao. Amin’ny anaran’i Jesosy, Amen.”
Hanome hery anao anie ny Tompo…! Tratry ny taona !
Misaotra fa misy ianao !