🚪Sokafy ny varavaran’ny fanomezan-toky…

PEJY FANDRAISANA | Miracles | 🚪Sokafy ny varavaran’ny fanomezan-toky…

Tsy fantatro izay fomba hiainanao azy, fa amiko manokana ity lohateny miresaka momba ny fampanantenana ataon’Andrimanitra ity dia manome fanantenana sy fifaliana feno ahy.

Ny finoana dia anisan’ny zavatra ilaintsika voalohany indrindra rehefa handray fampanantenana avy amin’Andriamanitra isika. Tsy hoe satria nanao asa soa isika, na hoe marina sy masina noho ny hafa matoa mandray izany fampanantenana izany, fa satria misafidy ny hino izay lazain’Andriamanitra isika.

Ny Baiboly dia milaza fa : “Izay nandresy fanjakana tamin’ny finoana, niasa fahamarinana; nahazo teny fikasana, nanakombona ny vavan’ny liona.” (Hebreo 11 : 33)

Eny, ny finoana dia manampy antsika hahazo ireo fampanantenana nomanin’Andriamanitra ho antsika. Manohana antsika mba hijoro sy handroso hatrany Izy, handeha araka ny Fandaharany sy ny Sitrapony.

Ankoatra izay, ny finoana koa dia “fahatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita.” (Hebreo 11 : 1). Hitanao ve ireo teny fototra roa voalaza teo :”fahatokiana” sy “fanehoana”?

Io fahatokiana ao anaty io, io faharesen-dahatra lalina io izay mandrisika ny fanehoana izany, no ilaintsika mba hahazoana ny fampanantenan’Andriamanitra sy hiorenana mafy amin’ny fiankinana amin’izany.

Ry namako, ny finoana dia tahaka ny varavarana izay sokafanao mba handraisanao ny fanomezan-toky ataon’Andrimanitra amin’ny fiainanao!

Manasa anao aho handinika manokana ireo sehatra samihafa misy eo amin’ny fiainanao ankehitriny. Hatraiza ny fahalehibeazan’ny finoanao? Matoky tanteraka ve ianao, manana ilay fandresen-dahatra manosika anao haneho izany amin’ny fiainanao ve ianao ?

Mino sy matoky aho anio fa hanao zava-mahagaga amin’ny fiainanao Andriamanitra =)

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!