Feno fahendrena ve ianao ? 🤔
Efa nitondra fiara namakivaky saha tany ambanivohitra ve ianao ?
Tsaroako indray andro izay, nanana fahafahana manokana nandeha nitsidika ny Grand Canyon tany Californie aho. Nandeha nanaraka arabe namakivaky faritra fambolena misy karazana hazo sy zava-maniry tsy takatry ny saina ny akantony. Tena sarin-tanà na mahafinaritra ! Sarin-tanà na tena toy ny paradisa.
Noharin’Andriamanitra mba hamokatra isika. Ny hazo dia velomin’ny “ditin-kazo” ary amin’ny alalany, dia velona ny hazo ary mamoha. Dia toy izany ihany koa, mila ny “ditin-kazo” fahendrena avy amin’ny Fanahy Masina izay mamoha betsaka ao amintsika isika. Tian’Andriamanitra hamokatra be ny fiainanao !
Milaza izany ny Baiboly manao hoe “Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana” (Galatiana 5:22).
Dikan-teny hafa iray miteny hoe : ” Fa ny vokatry ny Fanahy Masina mamoha ao anatinao dia fitiavana masina amin’ny lafiny rehetra : hafaliana tsy lanilany, fiadanana mampandresy, faharetana mampatanjaka, toetra maha te ho tia tena miasa, fiainana feno zava-tsoa, finoana mampandresy, fahatsoram-po, herim-panahy” (The Passion Translation).
Waouh ! Io fitiavana izay vokarin’ny Fanahy Masina ao anatintsika io dia miseho amin’ny zavatra izay ilaintsika : ny fifaliana, ny fiadanana, sns. Eny, ny fitiavan’Andriamanitra no mampisy vokatra betsaka eo amin’ny fiainanao ! Izay no fanalahidin’ny zavatra rehetra.
Androany, mivavaka aho mba ho tsapanao ny herin’ny fitiavan’Andriamanitra, ry namako.