Fahamarinana sa famindram-po?
Ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra dia miara-droa hatrany ny marina sy ny famindram-po, satria izay tena marina dia mpamindra fo tanteraka ihany koa.
Jereo ny lazain’ny fahasambarana fahefatra sy fahadimy : « Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana » (Matio 5:6-7)
Amin’ny fijerintsika maha olombelona dia teraka indraindray ny fisalasalana manoloana ny marina sy ny famindram-po. Efa niaina manokana io fisalasalana io imbetsaka aho, eny na dia tao anatin’ny tokantranoko aza. Hanome ohatra iray anao aho : misy fotoana aho, amin’ny maha olombelona ahy, te himenomenoma amin’ny vadiko momba ireo hadisoana nataony na izay tsy tiako. Zoko tanteraka angamba ny manao izany, ary rariny mihitsy aza izany amin’ny fijerin’olombelona. Saingy rehefa nandeha ny fotoana dia hitako fa tsy mety mihitsy io fomba io.
Amin’ny toe-javatra toy ireny, ny tsara indrindra dia ny maneho indrafo malefaka aminy : tsy manavesatra azy, fa miresaka aminy amin-kalemem-panahy ary miaraka amina fatram-pitiavana fanampiny. Mampidina ny sakana izany ! Ary, ao anatin’ny fitiavana dia afaka maneho hevitra isika, afaka miresaka ny zavatra nitranga sy miaraka manitsy izay fahadisoana ataontsika.
Rehefa mampihatra io karazana famindrampo io àry isika dia miseho ny tena fahamarinan’Andriamanitra. Tsara lavitra noho ny fahamarinan’ny olombelona izy io ary mitondra vokatra sarobidy, araka ny lazain’ny fahasambarana fahefatra. Tsy vitan’ny hoe mihamafy ny fifandraisana fa, rehefa anjarako ny manao fahadisoana dia fantatro fa ho hitako amin’ny vadiko ihany koa « ny famindrampo malefaka » toy izany, araka ny lazain’ny fahasambarana fahadimy. Sarobidy tsotra izao izany !
Handeha haverintsika vakiana ireo fahasambarana roa ireo mba itadidiana azy : « Sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana; fa izy no hovokisana. Sambatra ny miantra; fa izy no hiantrana» (Matio 5:6-7)
Eny ry namako, tena mahomby ny manambatra ny fahamarinan’Andriamanitra sy io famindrampo malefaka io, mba hiainana fiainana mamokatra sy fifandraisana mafy. Inona no andrasanao hampiharana ireo fahasambarana ireo ?