Eo anilanao Jesosy , ry namako
Te hizara aminao sary fanehoana notantarain’i Nick Vujicic aho nandritrana fotoana iray tao Le Havre. Nanana tombony handika teny aho tamin’izay.
Hoy izy hoe naka sary an-tsaina izy nandritra ny fotoam-pitsarana azy, aorian’ny fahafatesany. Hitany ny tenany manoloana ny seza fiandrianana, sy ireo mpanameloka azy izay nitanisa ny fahotany : “I Nick dia nanota nandritra ny androny rehetra. Mpanota io. Tsy mendrika ny fiainana mandrakizay.”
Avy eo izy nanohy ny fitantarana fa hoe nahita an’i Jesosy teo anilany izay niteny hoe : “Eny Ray, mpanota tokoa i Nick saingy tamin’ny faha-15 taonany dia nametraka ny fiainany Taminao izy ary niaina araka ny sitraponao. Efa voavela izy. Maty noho ny fahotany Aho. Voavela izy satria nino.” Tao aorian’izay dia nitodika tany amin’i Nick Andriamanitra ka niteny hoe : “Tongasoa ato an-trano…!”
Voamarinao ve ry namako fa nijoro teo akaikin’i Nick i Jesosy ?! Eny, anilantsika Izy. Ry namako, na any an-danitra aza dia mbola hitoetra eo anilanao foana i Jesosy mba hiaro anao manoloana ireo mpanameloka.
Noho ny finoanao an’i Jesosy, ry namako, satria ianao nametraka ny finoanao ao Aminy sy ao amin’ny asany ho anao dia hahare an’Andriamanitra ianao in-dray andro hilaza aminao hoe : “Tongasoa ato an-trano ry namako.” Endrey ny fifaliana amin’izay fotoana izay, ry namako…!
Misaotra fa misy ianao !