Aza adino ny epinara ! 💪🏻
Tadidinao ve ireo tantara nahafinaritra nataon’i Popeye ? Tamin’ny mbola zaza aho, dia nijery ireny sarimihetsika ireny tamin’ny fahitalavitra.
Mety tsaroanao angamba ilay tsiambaratelon’ny herin’i Popeye : ny epinara. Isaky ny nanana olana izy, dia nanokatra ilay epinara tao anaty fonosana, nitelina izany aingana ary avy hatrany dia nibotsona ny sandriny. Izany no nahazoany ny hery izay nilainy. Tsy nisy na olona na inona afaka nanohitra azy !
Ry namako, ny tenin’Andriamanitra no mamelona ny finoantsika. Ny teny izay vakintsika na henointsika ao amin’ny Baiboly no toy ireny epinara ireny : manome antsika eo noho eo ny hery izay ilaintsika. Mba ahatongavana amin’izany anefa, dia mila avoakantsika ao anatin’ny “fonosana” izy ary hoanina.
Ny apostôly Paoly dia nilaza : “Koa ny finoana dia avy amin’ny tori-teny, ary ny tori-teny kosa avy amin’ny tenin’i Kristy.” (Romana 10 : 17). Tsy hoe mamaky fotsiny ihany ny Baiboly, fa mihaino an’Andriamanitra miresaka amintsika amin’ny alalan’ny Baiboly. Amin’izay fotoana izay no ahafahantsika mitroka ny fahamarinana sy ny akora entiny. Amin’izay fotoana izay ihany koa, dia mivelona sy mihamafy ny finoantsika. Rehefa mihaino ny feon’Andriamanitra ianao, dia lasa manana finoana tsy azo idivirana.
Ry namako, mampahery anao aho mba haka minitra vitsivitsy hihainoana ny feon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny teniny. Ilain’ny finoanao izany !
Homba anao Andriamanitra androany, mirehareha ny aminao Izy, izaho ihany koa =)