Ary raha mifampitondra am-bavaka isika ?

PEJY FANDRAISANA | Miracles | Ary raha mifampitondra am-bavaka isika ?

Androany aho te handrisika ireo mandalo toe-javatra sarotra ankehitriny. Mety ho ianao ve izany ry Namako?
“Miambena ianareo, tomoera tsara amin’ny finoana, aoka hitombandahy, mahereza.” 1 Kor 16:13
Na dia niezaka niteny taminao aza Satana fa tsy misy ilàna anao, fa tsy misy hevitra intsony na tsy misy zavatra tsara miandry anao intsony dia tsy ratsy be araka ny tiany eritreretinao ny zava-misy. Aza adino fa mpandainga i Satana !
Miaina fahatsapana mandalo ianao, izay tian’ny fahavalo hampiasaina hanakanana anao hiaina ilay fiainana tsara tian’Andriamanitra hositrahanao.
Diniho tsara anie e ! Velona ny finoanao satria velona i Kristy. Nitsangana tamin’ny maty Izy ! Mifototra amin’ny fitsanganana amin’ny maty ny finoanao. Ao anatinao ny Herin’ny fitsanganan’Andriamanitra ary afaka manangana anao izy, mihoatra noho ny fihetseham-po mifamaofao, mihoatra noho ny olana, mba hitondra anao eo amin’ny toerana tsara kokoa noho ny hatrizay.
Fantatsika rehetra ny Salamo 23 ary manasa anao aho androany handinika manokana ity andininy ity : « Eny, na dia mandeha mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana aza aho, dia tsy hatahotra ny loza aho, fa Hianao no amiko; ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafa-tahotra ahy. » (Salamo 23:4)
Mahereza ry namako. Miaraka aminao Andriamanitra ao anatin’io sedra io, Izy no ianteheranao ary hampahery anao.
Mitondra anao am-bavaka aho. Indrindra amin’izao fotoana lalovan’ny firenena izao. Ary manasa ny tsirairay koa aho hifampivavaka. Manana ny sehatra “Je prie pour Madagascar” isika anatin’ny Facebook. Tongava manatevin-daharana ny hetsika amin’ny alalan’ny fitondrana am-bavaka ny firenena, izay tena mila an’Andriamanitra. Ary resy lahatra tanteraka aho fa ny fiasan’ny vavaky ny marina dia mahery indrindra. (Jakoba 5:16)

0aa5074f-signature-eric_06u01s06u01s000000

Maniry ny hanova ny fiainanao Andriamanitra

Mandraisa fampaherezana isan'andro!



*Ny fisoratanao anarana dia hanaikenao ny fepetra sy fifanajana ary ny fanambarana tsiambaratelo.

Fahagagana ny fisianao!